bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 28
Numbers 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
1
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2
Ento amin’ny zanak’i Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho Ahy, dia ny fahana ho ahy amin’ny sorona atao amin’ny afo izay mani-pofona amiko.
3
Lazao aminy hoe: izao no sorona atao amin’ny afo, haterinareo ho an’i Iaveh. «Isan’andro, zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka:
4
Ny iray amin’ireo zanak’ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin’ny àty takariva;
5
ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo ôliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra.
6
Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
7
Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh
8
Ny zanak’ondry iray haterina amin’ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin’ny maraina, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin’i Iaveh.»
9
«Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.
10
Sorona dorana amin’ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»
11
«Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;
12
ary lafarina tsara indrindra telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray; lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny ondralahy;
13
ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isan-janak’ondry iray; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
14
Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray, ampahatelon’ny hina, amin’ny isan’ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin’ny volana mandritra ny taona.
15
Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»
16
«Amin’ny volana voalohany, andro faha-14n’ny volana, dia Pakan’i Iaveh.
17
Ary ny andro faha-15n’izany volana izany, dia ho andro fety. Hafitoana hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo.
18
Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.
19
Ary izao no haterinareo ho sorona amin’ny afo, sorona dorana ho an’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,
20
ary ny hatao fanatitra momba izany dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo telo ampahafolony, atao amin’ny ombalahy iray, roa ampahafolony amin’ny ondralahy iray,
21
iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.
22
Ary osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo.
23
Izany no hataonareo, ka tsy hajanona anefa ny sorona isa-maraina, dia ny sorona dorana tsy tapaka.
24
Isan’andro mandritra ny hafitoana no hanaovanareo izany; izany no fahana amin’ny sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.
25
Amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.»
26
«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.
27
Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona;
28
ary ny hatao fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, telo ampahafolony isan’ombalahy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy,
29
ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy. Ary osy lahy iray koa no haterinareo hanaovana ny fanonerana ho anareo.
30
Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy; ary izay tsy misy kilema no atero, miaraka amin’ny fanatitra araraka momba azy.»
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36