bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 27
Numbers 27
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 28 →
1
Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.
2
Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:
3
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
4
Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.»
5
Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,
6
ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy:
7
«Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.
8
Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy manan-janaka lahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany.
9
Ary raha tsy manan-janaka vavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny lovany.
10
Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.
11
Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»
12
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara amin’io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak’i Israely.
13
Hahita izany ianao, dia hangonina any amin’ny razanao tahaka ny nanangonana an’i Aarôna rahalahinao koa,
14
satria ianareo tany amin’ny efitra Sina, ilay nilan’ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana Ahy teo imasony, ny amin’ny momba ny rano, dia ny ranon’i Meribà, any Kadesy, any an’efitra Sina.»
15
Dia niteny tamin’i Iaveh i Môizy, nanao hoe:
16
«Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.
17
Ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Iaveh.»
18
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.
19
Dia apetraho eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokany eo imason’izy ireo.
20
Ametraho anjara amin’ny fahefanao izy, mba haneken’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra azy.
21
Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.
22
Dia nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh azy: Naka an’i Jôsoe izy, nametraka azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra,
23
ka nony efa nametra-tanana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36