bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 5
Numbers 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
1
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:
2
«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.
3
Avoahy any ivelan’ny toby avokoa ireny, na lahy na vavy mba tsy handoto ny tobiny, izay onenako eo afovoany.
4
Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ka navoakany any ivelan’ny toby ireny: araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy no nataon’ny zanak’i Israely.»
5
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:
6
«Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’i Iaveh manao fahotana isan’ireo mahafaty antoka ny namana, fa tsy manaraka an’i Iaveh, ka dia meloka izy,
7
dia tsy maintsy hiaiky fa fahotany, sy hamerina ny zavatra rehetra azony tsy an-drariny, tongoaviny ny fahadiminy, hatolony amin’izay olona nanaovany hadisoana.
8
Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo amerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an’i Iaveh izany zavatra izany, ho an’ny mpisorona, miaraka amin’ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an’ilay meloka.
9
An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;
10
azy avokoa ny zavatra atokan’ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen’ny olona ho an’ny mpisorona dia ho azy.»
11
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:
12
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ny lahy,
13
fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin’ny mason’ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy,
14
raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana, na raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy manao fahalotoana,
15
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.
16
«Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan’i Iaveh;
17
dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano.
18
Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.
19
Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.
20
Fa raha nivily kosa nanao fahalotoana ianao, dieny mbola eo am-pelatanan’i vadinao, fa lehilahy hafa afa-tsy ny vadinao no nandry taminao,
21
dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin’ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: ‹Aoka i Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin’ny firenenao, ka hampifezaka ny ilànao sy hampivonto ny kibonao,
22
ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao.› Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: ‹Amen, amen.›
23
«Hosoratan’ny mpisorona amin’ny horonan-taratasy izany fanozonana izany, vao hosasany amin’ny rano mangidy indray,
24
dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona.
25
«Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely.
26
Ary handraofany eran-tanana ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; raha efa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.
27
Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.
28
Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka.
29
«Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatanan’ny lahy, nivily nanao fahalotoana;
30
na misy lehilahy azon’ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vadiny, ary hampiharin’ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany;
31
ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.»
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36