bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 30
Numbers 30
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
1
Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy araka izay rehetra nandidian’i Iaveh azy.
2
Niteny tamin’ny lohan’ny fokon’i Israely i Môizy nanao hoe:
3
Izao no didian’i Iaveh: Raha misy lehilahy mivoady amin’i Iaveh, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-teny izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa.
4
Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin’i Iaveh sy manao famehezan-tena,
5
ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
6
Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.
7
Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany,
8
ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
9
Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.
10
Ny voady nataon’ny vehivavy maty vady na voasaotra, izay famehezan-tena rehetra namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.
11
Raha ao an-tranon’ny lahy no nivoady ny vehivavy nanao famehezan-tena tamim-pianianana namehezany ny tenany,
12
ary raha avy izay handrenesan’ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
13
Fa raha foanan’ny lahy kosa izany amin’ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena nofoanan’ny vadiny izany, ary i Iaveh hamela azy.
14
Ny voady amam-pianianana rehetra amehezany tena hampahory ny fanahiny, dia azon’ny lahy araikitra, ary azon’ny lahy foanana.
15
Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy.
16
Raha atỳ aorian’ny andro nandrenesany izany izy vao manafoana azy, dia izy no hitondra ny heloky ny vavy.
17
Izany no lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36