bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 21
Numbers 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
1
Ren’ilay Kananeanina, mpanjakan’i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy i Israely, mihazo ny lalana mankany Atarîna, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin’i Israely izy.
2
Dia nivoady tamin’i Iaveh i Israely, nanao hoe: «Raha atolotrao eo an-tanako ity firenena ity, dia hovoadiako hatao anatema ny tanànany.»
3
Nohenoin’i Iaveh ny feon’i Israely, ka natolony ny Kananeanina, dia natao anatema izy ireo, mbamin’ny tanànany. Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia natao hoe Hormà.
4
Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,
5
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»
6
Ary i Iaveh tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.
7
Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: «Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’i Iaveh sy ianao. Mivavaha amin’i Iaveh mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.» Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,
8
ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.»
9
Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.
10
Niainga ny zanak’i Israely, ka nitoby tao Obôta;
11
Niala tao Obôta izy, dia nitoby tao Jeabarima ao amin’ny efitra mifanandrify amin’i Moaba, ao amin’ny fiposahan’ny masoandro.
12
Niala tao izy, dia nitoby tao amin’ny lohasahan’i Zareda.
13
Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnôna, izay mivalana amin’ny efitra, rehefa mivoaka ny faritanin’ny Amôreana; fa i Arnôna no faritr’i Moaba, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amôreana.
14
Ka izany no ilazana ao amin’ny bokin’ny Adin’i Iaveh hoe: «Lasan’i Iaveh i Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan’i Arnôna,
15
ary ny kisolosolon’ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin’ny fitoerana Ara, sy mipaka amin’ny Amôreana.»
16
Avy ao, dia nankany Beera izy. Io ilay fantsakana nilazan’i Iaveh tamin’i Môizy hoe: «Angony ny vahoakako ka homeko rano izy ireo.»
17
Tamin’izay no nihira izao tononkira izao i Israely:
18
Misondrota, ry fantsakana! Hobionareo izy. Fantsakana nolavahan’ny andriandahy, nabanabanan’ny lehiben’ny vahoaka, tamin’ny tehina fanapahana, dia ny tehin’izy ireo.
19
Avy tany an’efitra izy ireo, dia nankany Matàna; avy any Matàna dia nankany Nahaliela; avy any Nahaliela, dia nankany Bamôta;
20
avy any Bamôta, dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny sahan’i Moaba, eo an-tampon’i Fasgà, izay manerinerina amin’ny efitra.
21
Ary i Israely nandefa iraka ho any amin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, hanao aminy hoe:
22
«Avelao aho mba handalo ny taninao: fa tsy hivily ho amin’ny saha izahay, na ho amin’ny tanimboaloboka; ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; fa hizotra amin’ny lalan’andriana izahay, mandra-pahafakay ny faritaninao.»
23
Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.
24
I Israely namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, ka nahazo ny taniny hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka, hatreo amin’ny zanak’i Amôna, fa mafy ny faritry ny tanin’ny zanak’i Amôna.
25
Nalain’i Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan’i Israely ny tanànan’ny Amôreana rehetra, dia i Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra.
26
I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.
27
Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.
28
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna, Ka nandevona an’i Ara-Moaba, Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna.
29
Loza ho anao, ry Moaba! Levona ianao, ry vahoakan’i Kamôzy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana.
30
Nolefasantsika zana-tsipîka izy ireo; Rava i Hesebona hatrany Dibôna, Ary nofoanantsika hatrany Nôfe, Sy norehetantsika hatrany Medabà.
31
Dia nitoetra teo amin’ny tanin’ny Amôreana i Israely.
32
Naniraka olona hisafo an’i Jazera i Môizy; dia afak’izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amôreana tamin’ireny.
33
Izay izy, dia niova lalana ka niakatra ny lalana mankany Basàna; nivoaka i Oga, mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny vahoakany rehetra nitsena azy ireo, mba hiady aminy ao Edraîa.
34
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana izay nonina tao Hesebona.»
35
Dia nandresy azy mbamin’ny zanany lahy sy ny vahoakany rehetra izy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray aza, ka azony ny taniny.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36