bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 31
Numbers 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
1
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2
«Valio amin’ny Madianìta ny nataony tamin’ny zanak’i Israely: rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao.»
3
Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.
4
Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika ianareo, avy amin’ny fokon’i Israely rehetra.»
5
Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan’arivon’i Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady.
6
Dia nalefan’i Môizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trômpetra mikarantsana.
7
Nandroso hamely an’i Madiàna izy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra.
8
Afa-tsy izay maty an’ady dia novonoiny koa ny mpanjakan’i Madiàna: i Evỳ, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Reba, mpanjakan’i Madiàna dimy lahy. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balaama zanak’i Beôra.
9
Nobaboin’ny zanak’i Israely avokoa ny vadin’ny Madianìta mbamin’ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entany sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra.
10
Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin’ny tany nonenany, mbamin’ny tobiny rehetra.
11
Rehefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby,
12
dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’i Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan’i Moaba, akaikin’i Jordany tandrifin’i Jerikô.
13
Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin’ny fiangonana.
14
Ary tezitra i Môizy tamin’ny mpitari-tafika, dia ireo tomponarivo sy tompon-jato, avy any amin’ny ady.
15
Hoy izy tamin’ireo: «Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e?
16
Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;
17
koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin’ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy,
18
fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo.
19
Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.
20
Diovy koa ny fitafiana rehetra, ny lamba volon’osy rehetra, ary ny fanaka hazo rehetra.»
21
Hoy i Eleazara mpisorona tamin’ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an’ady: «Izao no tapaky ny lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy:
22
Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny fira-potsy ary ny fira-mainty,
23
mbamin’ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin’ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin’ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin’ny rano.
24
Sasao ny lambanareo amin’ny andro fahafito; dia hadio ianareo, ka hahazo miditra amin’ny toby rehefa afaka izany.»
25
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
26
«Alaonao sy i Eleazara mpisorona ary ny loham-pianakaviana amin’ny fiangonana, ny isan’ny zavatra nentin-ko babo, na olona na biby fiompy,
27
ka zarao ny babo ho an’ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an’ny fiangonana rehetra.
28
Ny an’ny miaramila niantafika angalao iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin’i Iaveh.
29
Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an’izany, ka omeo an’i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an’i Iaveh.
30
Ny antsasany ho an’ny zanak’i Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy biby fiompy rehetra, ka omeo an’ny Levita, izay miambina ny Fonenan’i Iaveh.»
31
Dia nataon’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
32
Tamin’ny zavatra norobainy, ny sisan’ny babo azon’ny mpanafika, dia nisy ondry 675.000,
33
omby 72.000,
34
boriky 61.000,
35
ary vehivavy mbola tsy nandry tamin-dehilahy 32.000.
36
Ny antsasany anjaran’ny tany an-tafika, dia ondry 337.500,
37
ka 675 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo;
38
omby 36.000, ka ny 72 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo;
39
boriky 30.500, ka 61 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo,
40
ary olona 16.000, ka 32 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo.
41
Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
42
Ny amin’ilay antsasany an’ny zanak’i Israely kosa, izay navahan’i Môizy tamin’ny an’ny mpanafika,
43
io antsasany an’ny fiangonana io, dia nisy ondry 337.500,
44
omby 36.000,
45
boriky 30.500,
46
ary olona 16.000.
47
Nangalan’i Môizy iray isan-dimampolo io antsasany an’ny zanak’i Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan’i Iaveh araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
48
Dia nanatona an’i Môizy ny lehiben’ny arivo amin’ny tafika, ny tomponarivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe:
49
«Efa naka ny isan’ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsaka isa izahay na dia iray aza.
50
Koa aterinay ho fanatitra ho an’i Iaveh kosa, ny firavaka volamena efa hitany avy, dia fehi-tanana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan’i Iaveh.»
51
Dia noraisin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin’izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany.
52
Nisy 16.750 sikla ny volamena rehetra voaavaka nateriny ho an’i Iaveh avy amin’ny tomponarivo sy tompon-jato.
53
Ny mpanafika tamin’ny foloalindahy dia samy nahazo ny babony ho azy ihany.
54
Nony voarain’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ny volamena tamin’ny tomponarivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin’ny trano lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely eo anatrehan’i Iaveh.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36