bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 19
Numbers 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
1
Niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao hoe:
2
«Izao no didin’ny lalàna nandidian’i Iaveh, nataony hoe: Ilazao ny zanak’i Israely hitondra omby vavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga.
3
Hatolotrareo an’i Eleazara mpisorona izany, dia hasainy avoaka ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.
4
Ary hangalan’i Eleazara mpisorona amin’ny rantsan-tanany ny ran’ny omby vavy ka afafiny impito mankamin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
5
Dia hodorana eo imasony ilay omby, hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, mbamin’ny tain-drorohany.
6
Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan’ny afo mandoro ny omby vavy.
7
Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.
8
Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin’ny rano, ary hampandro ny tenany amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
9
Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon’ilay omby vavy, sy hametraka azy amin’ny toerana madio anankiray any ivelan’ny toby, hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely izany, hatao amin’ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany.
10
Izay nanangona ny lavenon’ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminy.»
11
Izay mikasika faty, rehefa mety ho fatin’olona, dia haloto hafitoana.
12
Hanadio tena amin’izany rano izany izy, amin’ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio.
13
Izay hikasika faty, dia ny vatan’olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan’i Iaveh, ka hoesorina amin’i Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany.
14
Izao no lalàna: Raha misy olona maty ao amin’ny trano lay anankiray, dia haloto hafitoana avokoa ny olona rehetra miditra ao an-day, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ny lay.
15
Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto.
16
Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana.
17
Dia hangalana ho an’izay maloto ny lavenon’ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny.
18
Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana.
19
Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.
20
Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto.
21
Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
22
Ny zavatra rehetra kasihin’izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36