bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 12
Numbers 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
1
Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.
2
Hoy izy ireo: «Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no nitenenan’i Iaveh? Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va izy?»
3
Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.
4
Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria i Iaveh nanao hoe: «Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana.» Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.
5
Ary i Iaveh nidina tamin’ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran’ny trano lay. Niantso an’i Aarôna sy i Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo;
6
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.
7
Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.
8
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iaveh izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»
9
Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’i Iaveh, ka lasa Izy.
10
Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.
11
Ary hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany.
12
Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.»
13
Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy.»
14
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan’ny toby izy hafitoana, fa rehefa afaka izany vao horaisina ao indray.»
15
Natokana hafitoana tany ivelan’ny toby i Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray i Maria.
16
Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerôta ny vahoaka ka nitoby tao amin’ny efitra Faràna.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36