bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 13
Numbers 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
1
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:
2
«Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin’izy ireo avy.»
3
Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.
4
Ireto no anarany: Samoà zanak’i Zekora, avy amin’ny fokon-dRobena;
5
Safata zanak’i Hori, avy amin’ny fokon’i Simeôna;
6
Kaleba zanak’i Jefone, avy amin’ny fokon’i Jodà;
7
Igala zanak’i Josefa, avy amin’ny fokon’i Isakara;
8
Ozea, zanak’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraima;
9
Faltỳ, zanak’i Rafò avy amin’ny fokon’i Benjamina;
10
Gediela, zanak’i Sodỳ, avy amin’ny fokon’i Zabolôna;
11
Gadì, zanak’i Sozì, avy amin’ny fokon’i Josefa, fokon’i Manase;
12
Amilea, zanak’i Gemalì avy amin’ny fokon’i Dana;
13
Sotora, zanak’i Mikaela, avy amin’ny fokon’i Asera;
14
Nahabì, zanak’i Vapsì, avy amin’ny fokon’i Neftalì;
15
Goela, zanak’i Makì, avy amin’ny fokon’i Gada.
16
Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.
17
Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.
18
Hozahanareo ny tany, ny toetrany, ary ny olona monina eo aminy, na matanjaka na osa izy ireo, na vitsy na maro;
19
ny toetry ny tany onenany, na tsara na ratsy, ny toetry ny tanàna onenany, na tsy mimanda na mimanda;
20
ny toetry ny tany na lali-nofo na marivo nofo, na misy hazo na tsia. Mahereza tsara ary mangalà amin’ny vokatry ny tany.» Voaloham-pahavokaran’ny voaloboka tamin’izay.
21
Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.
22
Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.
23
Nony tonga tao amin’ny lohasaha Eskôla izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an’io tamin’ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy.
24
Noho ny sampahom-boaloboka notapahin’ny zanak’i Israely teo, dia nomena anarana hoe Lohasahan’i Eskôla io fitoerana io.
25
Nony afaka 40 andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.
26
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
27
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.
28
Fa ny vahoaka monina any, mahery; ny tanàna, sady mimanda no lehibe; ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.
29
I Amaleka no monina amin’ny faritanin’ny Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreana no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny amoron’i Jordany.»
30
Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»
31
Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy: «Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany, fa mahery noho isika izy.»
32
Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy: «Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy; ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;
33
ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36