bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 24
Numbers 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
1
Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.
2
Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
3
ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra; Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;
4
Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
5
Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba! Ary izato fonenanao, ry Israely!
6
Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh, Tahaka ny sedera amoron-drano!
7
Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa, Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.
8
Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy, Ary nomeny azy ny herin’ny ombimanga. Mandevona ny firenena miady aminy izy, Manapaka ny taolany Sy mandripaka azy amin’ny zana-tsipìkany.
9
Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Ho voaozona anie izay hanozona anao!»
10
Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.
11
Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin’i Iaveh anao ny voninahitra.»
12
Hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka: «Tsy efa voalazako tamin’ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe:
13
Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.
14
Ary indro handeha ho any amin’ny fireneko aho izao; koa etsy ianao, hilazako rahateo izay hataon’ity vahoaka ity amin’ny vahoakanao, any aoriana any.»
15
Dia nilaza ny lahateniny i Balaama ka nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra, Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,
16
Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
17
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
18
I Edôma dia lasan-ko fananany: Fa i Israely manampatra ny herim-pony.
19
Misy mpifehy avy amin’i Jakôba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.»
20
Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «I Amaleka no voalohany amin’ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.»
21
Nahita ny Kineanina i Balaama, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «Mafy orina ny fonenanao, Voapetraka ambonin’ny vatolampy ny akaninao;
22
Nefa handroso hihalevona ny Kineanina; Ambara-pahoviana? Hoentin’i Asora babo izy.»
23
Dia nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «Indrisy! zovy no ho velona rehefa hanao izany Andriamanitra? Misy sambo avy any Sitima,
24
Mampahory an’i Asora, mampahory an’i Hebera, Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy.»
25
Dia niainga i Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary i Balàka koa dia mba lasa nandeha.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36