bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 20
Numbers 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
1
Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.
2
Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.
3
Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka, ka nanao hoe: «Inay anie izahay mba maty, tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Iaveh!
4
Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’i Iaveh amin’ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay?
5
Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta hankatỳ amin’itony fitoerana ratsy itony? Tsy mba tany azo amafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra, na rano hosotroina akory.»
6
Dia niala tao amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitr’i Iaveh.
7
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, nanao hoe:
8
«Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»
9
Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ny tehina izay teo anatrehan’i Iaveh.
10
Manaraka izany novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?»
11
Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
12
Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»
13
Izany no ranon’i Meribà izay nilan’ny zanak’i Israely ady tamin’i Iaveh, ka nanamasin-tena tamin’izy ireo Izy.
14
Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.
15
Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorian’ny Ejiptianina, na izahay na ny razanay.
16
Dia nitaraina tamin’i Iaveh izahay, ary nihaino ny feonay Izy; naniraka Anjely Izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin’ny faritry ny taninao.
17
Koa mihanta aminao, mba avelao izahay hamaky ny taninao, fa tsy handeha hamaky ny saha izahay, na ny tanimboaloboka, ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; hizotra amin’ny lalan’andriana izahay fa tsy hivily ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mandra-pahafakay ny faritaninao.»
18
Hoy i Edôma taminy: «Tsy handalo atỳ amiko ianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.»
19
Dia hoy ny zanak’i Israely taminy: «Ny lalam-be ihany no hiakaranay, ary raha misotro ny ranonao izahay, na izaho na ny biby fiompiko, dia hoefaiko ny vidin’izany. Zavatra tsy mampaninona akory izany, fa handalo mandeha tongotra fotsiny ihany aho.»
20
Hoy ny navaliny: «Tsy handalo ianao» sady nivoaka hitsena azy i Edôma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery.
21
Nolavin’i Edôma tsy handalo ny faritaniny i Israely, ka dia nivily niala taminy i Israely.
22
Niala tao Kadesy ny zanak’i Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora.
23
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna tao an-tendrombohitra Hora, amin’ny faritry ny tanin’i Edôma:
24
«Efa hakambana amin’ny razany i Aarôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany omeko ny zanak’i Israely izy, satria nandà ny teniko ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà.
25
Alao i Aarôna sy i Eleazara zanany, ary ento miakatra any an-tendrombohitra Hora izy.
26
Dia esory amin’i Aarôna ny fanamiany ka atafio an’i Eleazara zanany. Fa ao i Aarôna no horaisina sy ho faty.»
27
Nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh: Niakatra tany an-tendrombohitra Hora teo imason’ny fiangonana rehetra izy ireo;
28
ka nony efa nalan’i Môizy ny fanamian’i Aarôna, dia natafiny an’i Eleazara zanany.
29
Ary i Aarôna dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra.
30
Hitan’ny fiangonana rehetra, fa maty i Aarôna, dia nitomany an’i Aarôna telopolo andro ny fianakavian’i Israely rehetra.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36