bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 36
Numbers 36
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
1
Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:
2
«Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.
3
Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.
4
Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»
5
Ary nanome izao didy izao i Môizy ho an’ny zanak’i Israely araka ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Marina ny tenin’ny fokon’ny zanak’i Josefa.
6
Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;
7
dia tsy hifindra maso ny lovan’ny zanak’i Israely, fa samy ho eo amin’ny lovan’ny fokon-drainy avy no hipetrahan’ny zanak’i Israely.
8
Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.
9
Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»
10
Dia nanao araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny zanaka vavin’i Salfaada.
11
Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanaka vavin’i Salfaada: I Maalà, i Tersà, i Heglà, i Melkà sy i Nôà;
12
nanambady teo amin’ny fianakavian’ny zanak’i Manase zanak’i Josefa izy ireo, ka dia nipetraka tamin’ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany.
13
Ireo no didy aman-dalàna nomen’i Iaveh ny zanak’i Israely tamin’ny alalan’i Môizy, teo an-tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36