bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 1
1 Kings 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 2 →
1
Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Davida mpanjaka; nototofana lamba maromaro izy nefa tsy nety nafana.
2
Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny ny mpanjaka tompoko; aoka hanompo ny mpanjaka izy ka ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy dia hampafana ny mpanjaka tompoko!
3
Dia nitady zazavavy tsara tarehy manerana ny tanin’ny Israely rehetra izy ireo ka nahita an’i Abisaga sonemita izay noentiny tany amin’ny mpanjaka.
4
Tena tsara tarehy Razazavavy. Tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy. Ny mpanjaka anefa dia tsy nanam-piraisana taminy.
5
Ary nanandratra ny tenany i Adonia, zanakalahin’i Hagita, ka nilaza hoe: Izaho no hanjaka. Dia nanomana kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly ary dimampolo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6
Hatrizay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy akory ny rainy hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary izy no nateraky ny reniny nanarakaraka an’i Absaloma.
7
Niresaka tamin’i Joaba, zanak’i Zeroia sy i Abiatara mpisorona izy; niandany tamin’i Adonia izy roa lahy ireo sady nanampy azy.
8
Fa i Zadoka mpisorona, i Benaia, zanak’i Joiada, i Natana mpaminany, i Simey, i Rey ary ireo lehilahy mahery fo izay an’i Davida kosa dia tsy mba niandany tamin’i Adonia.
9
Ary namono ondry aman’osy sy omby ary zanak’omby mifahy teo akaikin’ny vato Zoheleta teo anilan’i Eny-Rogela i Adonia ka nanasa ny rahalahiny, izay zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahin’ny Joda rehetra izay mpanompon’ny mpanjaka.
10
Fa i Natana mpaminany, i Benaia, ny lehilahy mahery ary i Solomona rahalahiny kosa tsy mba nasainy.
11
Hoy i Natana tamin’i Batseba, renin’i Solomona: Moa tsy renao va fa efa tonga mpanjaka i Adonia, zanak’i Hagita, nefa tsy fantatr’i Davida tompontsika akory izany?
12
Koa etsy homeko saina ianao mba hamonjenao ny ainao sy ny ain’i Solomona zanakao.
13
Mandehana mankao amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako? Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjaka?
14
Ary raha mbola miteny amin’ny mpanjaka ianao dia hiditra manaraka anao koa aho ka hanamarina ny teninao.
15
Dia nankao amin’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fatoriany i Batseba. Efa antitra tokoa moa ny mpanjaka, ary i Abisaga sonemita no nanompo azy.
16
Dia niondrika i Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17
Hoy izy taminy: Tompokolahy ô, tamin’NY TOMPO Andriamanitrao no nianiananao ka nanomezanao toky ahy mpanompovavinao hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako.
18
Kanjo izao indro, i Adonia no tonga mpanjaka, kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko!
19
Efa namono omby sy zanak’omby mifahy ary ondry aman’osy betsaka izy ary efa nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Joaba, lehiben’ny miaramila, fa i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ny Israely rehetra no manandrandra anao mba hilazanao izay hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, ry mpanjaka tompoko ô!
21
Fa rehefa lasa modimandry any amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy i Solomona zanako no homena heloka.
22
Raha mbola niteny tamin’ny mpanjaka Ravehivavy, dia indro, niditra koa i Natana mpaminany.
23
Nisy nanambara tamin’ny mpanjaka hoe: Indro i Natana mpaminany! Dia niditra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
24
Ary hoy i Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha efa niteny ianao hoe: I Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako?
25
Fa nidina izy androany ka namono omby, zanak’omby mifahy, ondry aman’osy betsaka ary nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ireo lehiben’ny miaramila sy i Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana sy misotro eo anatrehany sady miteny hoe: Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!
26
Fa izaho mpanomponao, i Zadoka mpisorona, i Benaia, zanak’i Joiada ary i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27
Moa avy tamin’ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, ry mpanjaka tompoko?
28
Ary hoy i Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko i Batseba! Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany.
29
Ary nianiana ny mpanjaka hoe: Raha velona koa NY TOMPO, izay namonjy ny aiko tamin’ny fahoriana rehetra,
30
dia tahaka ilay nianianako tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ka nilazako hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31
Ary niondrika i Batseba dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka ka niteny hoe: Ho velona mandrakizay anie i Davida mpanjaka tompoko!
32
Ary hoy i Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia, zanak’i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy telo lahy.
33
Hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ny tomponareo ary ampitaingeno ny ampondravaviko i Solomona zanako lahy ka ento midina any Gihona izy.
34
Ary aoka hanosotra azy any ho mpanjakan’ny Israely i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany. Tsofinareo avy eo ny anjomara ka lazao hoe: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!
35
Dia miakara manaraka azy ianareo ary aoka hiditra izy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpitondra ny Israely sy ny Joda.
36
Ary namaly ny mpanjaka i Benaia, zanak’i Joiada hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie NY TOMPO, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko!
37
Toy ny nomban’NY TOMPO ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny sezafiandrianan’i Davida mpanjaka tompoko anie ny sezafiandrianan’i Solomona!
38
Dia nidina i Zadoka mpisorona, i Natana mpaminany, i Benaia, zanak’i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peletita ka nampitaingenin’izy ireo ny ampondravavin’i Davida mpanjaka i Solomona ary noentiny nankany Gihona.
39
Ary naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny tranolay i Zadoka mpisorona ka nanosotra an’i Solomona. Notsofina avy eo ny anjomara sady hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!
40
Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra sady nitsoka sodina no nifaly indrindra ka nila hitresaka ny tany noho ny feony.
41
Ren’i Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy izany rehefa nitsahatra nihinana izy ireo. Dia hoy i Joaba nony nahare ny feon’ny anjomara: Inona re izao hotakotaka mampitabataba ny tanàna izao?
42
Fa raha mbola niteny izy dia indro tonga i Jonatana, zanak’i Abiatara mpisorona. Dia hoy i Adonia taminy: Mandrosoa, fa lehilahy azo antoka ianao ka vaovao tsara no hoentinao.
43
Nefa hoy i Jonatana tamin’i Adonia: Tsia! Tsy izany velively fa i Davida mpanjaka tompontsika dia nanangana an’i Solomona ho mpanjaka.
44
Ary ny mpanjaka no naniraka an’i Zadoka mpisorona, i Natana mpaminany, i Benaia, zanak’i Joiada ary ny Keretita sy ny Peletita hiaraka aminy ka nampitaingenin’ireo ny ampondravavin’ny mpanjaka izy.
45
Dia nohosoran’i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ho mpanjaka tao Gihona izy. Niakatra avy teo izy ireo sady nifaly ka naresaka be terỳ ny tanàna. Izany no tabataba renareo.
46
Ary i Solomona aza izao dia efa mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana.
47
Dia tonga koa ny mpanompon’ny mpanjaka hisaotra an’i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon’Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran’i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny sezafiandriananao anie ny sezafiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48
ka niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanolotra ny mpandimby ahy eo amin’ny sezafiandrianako androany, sady hitan’ny masoko koa izany.
49
Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain’i Adonia ka niainga ary samy lasa nandeha tamin’izay nalehany avy izy rehetra.
50
Natahotra an’i Solomona koa i Adonia dia niainga ka lasa nihazona mafy ny tandroky ny alitara.
51
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona hoe: Indro, i Adonia matahotra an’i Solomona mpanjaka; koa ao izy mihazona ny tandroky ny alitara sady miteny hoe: Aoka hianiana amiko aloha i Solomona mpanjaka fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ny sabatra!
52
Fa hoy i Solomona: Raha hita fa lehilahy azo antoka izy dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany; fa raha ahitana heloka kosa aminy dia ho faty ihany izy!
53
Dia nandefa iraka hampidina azy hiala tamin’ny alitara i Solomona mpanjaka. Tonga niankohoka teo anatrehan’i Solomona mpanjaka izy ary hoy i Solomona taminy: Modia any an-tranonao.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22