bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 15
1 Kings 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 16 →
1
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, no tonga mpanjakan’i Joda i Abia.
2
Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Imaka, zanakavavin’i Absaloma.
3
Nandeha tamin’ny fahotana rehetra nataon’ny rainy izy, dia izay nataony teo alohany; ny fony dia tsy mba nahitsy tamin’NY TOMPO Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy.
4
Nefa noho ny amin’i Davida dia nomen’NY TOMPO Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy ka natsangany handimby azy ny zanany sady nampaharitra an’i Jerosalema Izy,
5
satria nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Davida ka tsy nivily niala tamin’izay nandidiany azy tamin’ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’i Oria hetita ihany.
6
Niady i Rehoboama sy i Jeroboama tamin’ny andro rehetra niainany.
7
Ny tantaran’i Abia sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Niady i Abia sy i Jeroboama.
8
Nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. I Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
9
Tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely, no tonga mpanjakan’ny Joda i Asa.
10
Iraika amby efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Imaka, zanakavavin’i Absaloma.
11
Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Asa, toy ny nataon’i Davida rainy.
12
Nesoriny tamin’ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon’ny rainy.
13
Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
14
Na izany aza, ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’NY TOMPO ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany.
15
Nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
16
Niady i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andro rehetra niainany.
17
Ary niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda.
18
Ary naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa ka natolony teo an-tanan’ny mpanompony. Avy eo i Asa mpanjaka dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Arama, izay nonina tao Damaskosy, ka nampilazainy hoe:
19
Misy fanekena amiko sy aminao, ary tamin’ny raiko sy ny rainao. Koa indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’i Basa, mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko.
20
Ary nihaino an’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ny komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; ary namely an’Iona, i Dana, i Abela-Bety-Maka ary ny Kinerota manontolo mbamin’ny tanin’ny Naftaly manontolo izy.
21
Rehefa ren’i Basa izany dia nitsahatra tsy nanamboatra an’i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
22
I Asa mpanjaka kosa dia nampiantso ny Joda rehetra ka tsy nisy izay tsy nampandrenesiny, mba hanaisotra ny vato sy ny hazo tao Rama izay naorin’i Basa; ary noentin’i Asa mpanjaka nanorenana an’i Geban’i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23
Ny tantaran’i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’izay rehetra nataony ary ny tanàna izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Fa tamin’ny andron’ny fahanterany dia narary tongotra izy.
24
Ary nodimandry any amin’ny razany izy ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
25
Tonga mpanjakan’ny Israely i Nadaba zanak’i Jeroboama, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy.
26
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, fa nandeha tamin’ny lalan’ny rainy sy tamin’ny fahotany izay nampanotany ny Israely.
27
Ary nikomy taminy i Basa, zanak’i Ahia, avy amin’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona izay an’ny Filistina, raha i Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano an’i Gibetona.
28
Nahafaty azy i Basa tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda ka izy no nanjaka nisolo azy.
29
Rehefa nanjaka izy dia namely ny mpianakavin’i Jeroboama rehetra ka tsy nisy navelany ho velona na dia iray akory aza fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia silonita, mpanompony;
30
izany dia noho ny fahotana nataon’i Jeroboama sy noho ny nampanotany ny Israely tamin’izay nataony ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
31
Ny tantaran’i Nadaba sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
32
Niady i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andro rehetra niainany.
33
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjakan’ny Israely rehetra tao Tirza i Basa, zanak’i Ahia, ka nanjaka efatra amby roapolo taona izy.
34
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, fa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama sy tamin’ny fahotany izay nampanotany ny Israely.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22