bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 22
1 Kings 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
1
Nandry fehizay ny tany nandritra ny telo taona ka tsy nisy ady tamin’i Arama sy Israely.
2
Fa tamin’ny taona fahatelo dia nidina i Josafata, mpanjakan’ny Joda, ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely.
3
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika i Ramota-Gileada, nefa mitoetra foana isika ka tsy maka azy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Arama?
4
Hoy koa izy tamin’i Josafata: Hiaraka amiko hiady any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Eny, fa tahaka ny tenako ihany ny aminao, ka toy ny momba ny oloko ny amin’ny olonao, ary toy ny amin’ny soavaliko ny amin’ny soavalinao.
5
Hoy anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Miangavy anao aho, mba anontanio aloha ny tenin’NY TOMPO.
6
Dia nanangona ny mpaminany tokony ho efajato lahy ny mpanjakan’ny Israely ka niteny tamin’izy ireo hoe: Moa handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va aho sa tsy handeha? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka!
7
Hoy kosa anefa i Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’NY TOMPO koa va eto mba hanontaniantsika?
8
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, i Mikaia, zanak’i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO; kanefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy fa loza ihany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka!
9
Ary niantso ny tandapa iray ny mpanjakan’ny Israely ka nilaza taminy hoe: Antsoy haingana i Mikaia, zanak’i Jimla.
10
Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy, teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria, sady samy niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.
11
Ary i Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandroka vy maromaro ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Amin’ireto no hanotoanao ny Arameana mandra-paharingany.
12
Ary ny mpaminany rehetra dia naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-Gileada, dia hambinina ianao! NY TOMPO hanolotra azy eo an-tananao ry mpanjaka!
13
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray feo avokoa izao ireo mpaminany ka milaza soa ho an’ny mpanjaka. Koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy ireo ka mba mitenena soa koa ianao!
14
Dia hoy i Mikaia: Raha velona koa NY TOMPO, dia izay lazain’NY TOMPO amiko ihany no hambarako!
15
Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka!
16
Hoy koa ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ny anaran’NY TOMPO afa-tsy izay marina ihany?
17
Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny ny Israely rehetra dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireo, koa aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy.
18
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
19
Ary hoy i Mikaia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Nahita NY TOMPO nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany aho, ary ny tafiky ny lanitra manontolo nijoro teo anilany, dia teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.
20
Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba mba handehanany ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao, ary ny iray kosa dia niteny toy izatsy.
21
Dia nandroso ny fanahy iray ka nijoro teo anatrehan’NY TOMPO sady niteny hoe: Izaho no hamitaka azy. Hoy NY TOMPO taminy: Amin’inona anefa?
22
Hoy izy: Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray NY TOMPO: Ho voafitakao izy ka hahomby ianao! Mandehana ka ataovy araka izany!
23
Koa indro, ankehitriny, NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao rehetra ireto ka NY TOMPO no efa nilaza ny loza hanjo anao!
24
Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, ka namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko ka nitenenany taminao?
25
Hoy ny navalin’i Mikaia hoe: Indro, ho hitanao izany amin’ny andro hitetezanao efitrano mba hierenao.
26
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: Sambory i Mikaia ka ento miverina ho any amin’i Amona, lehiben’ny tanàna, sy ho any amin’i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27
dia lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy ao an-tranomaizina Ilehio ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pijaliana izy mandra-piveriko soa amantsara!
28
Fa hoy i Mikaia: Raha toa ka tafaverina soa amantsara ianao dia tsy nampitenenin’NY TOMPO aho. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra!
29
Dia niakatra nankany Ramota-Gileada ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
30
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady.
31
Fa ny mpanjakan’i Arama efa nandidy ny roa amby telopolo lahy, lehiben’ny kalesy fitondra miady hoe: Aza miady na amin’ny kely na amin’ny lehibe, fa amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany.
32
Nony nahita an’i Josafata ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ny Israely. Dia nitodika nanatrika azy mba hiady aminy ireo, ka niantsoantso i Josafata.
33
Rehefa hitan’ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady fa tsy izy no mpanjakan’ny Israely, dia niverina niala taminy ireo.
34
Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany ka hoy izy tamin’ny mpitondra ny kalesiny: Ahodino ny kalesy ka ento miala teto amin’ny ady aho fa voa.
35
Nihamafy ny ady tamin’izay andro izay ka notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny, nanatrika ny Arameana, nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy. Ary ny ra avy tamin’ny ratrany dia nikoriana tao anatin’ny kalesy.
36
Nony efa hilentika ny masoandro dia niely nanerana ny toby izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin’ny taniny avy!
37
Fa maty ny mpanjaka ka noentina tany Samaria ary nalevina tao.
38
Nony nosasana teo amin’ny farihin’i Samaria ny kalesiny dia avy ny alika nilelaka ny rany, raha nandro tao ny vehivavy janga; izany dia araka ny tenin’NY TOMPO tokoa.
39
Ny tantaran’i Ahaba sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny trano voaravaka ivoara izay natsangany ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
40
Nodimandry any amin’ny razany i Ahaba. I Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
41
Tonga mpanjakan’ny Joda i Josafata, zanak’i Asa, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely.
42
Dimy amby telopolo taona i Josafata raha nanomboka nanjaka ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily.
43
Nandeha tamin’ny lalana rehetra izay nalehan’i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’izany fa nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO;
44
kanefa tsy mba noravana ireo toerana fanaovana sorona ka mbola namono zavatra hatao fanatitra ny olona sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana ihany.
45
Ary tsara fihavanana i Josafata sy ny mpanjakan’ny Israely.
46
Ny tantaran’i Josafata sisa sy ny heriny mbamin’ny ady nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
47
Ny sisa tamin’ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho amin’ny fanompoan-tsampy, dia izay mbola tany amin’ny andron’i Asa rainy, dia nofongorany tsy ho eo amin’ny tany.
48
Tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizany fa mpifehy voatendry no nitondra ny fanjakana.
49
Ary nanao sambon’i Tarsisy folo hankany Ofira i Josafata mba haka volamena; nefa tsy lasa tany izy satria nahavakiana tao Eziona-Gebera ireo sambo ireo.
50
Dia hoy i Ahazia, zanak’i Ahaba, tamin’i Josafata: Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao any an-tsambo ny mpanompoko! Tsy nety anefa i Josafata.
51
Nodimandry tany amin’ny razany i Josafata, dia nalevina niaraka amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
52
Tamin’ny taona fahafito amby folo nanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Ahazia, zanak’i Ahaba. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy.
53
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy satria nandeha tamin’ny lalan’ny rainy sy ny reniny ary tamin’ny lalan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanota ny Israely.
54
Nanompo ny Baala izy ary niankohoka teo anatrehany ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tahaka izay rehetra nataon’ny rainy.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22