bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 20
1 Kings 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 21 →
1
Ary namory ny miaramilany rehetra i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, ary nisy mpanjaka roa amby telopolo mbamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady niaraka taminy. Dia niakatra izy ka nanao fahirano an’i Samaria ary nanafika azy.
2
Ary nandefa iraka ho any amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tany an-tanàna, izy
3
hilaza aminy hoe: Izao no lazain’i Beny-Hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vady aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
4
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely hoe: Eny, marina ny teninao, ry mpanjaka tompoko ô! Anao aho sy izay rehetra ananako.
5
Dia niverina indray ny iraka ka nilaza hoe: Izao no tenin’i Beny-Hadada: Nandefa iraka tatỳ aminao aho hilaza hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vady aman-janakao dia omeo ahy.
6
Koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao dia hosavainy ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao, ary horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
7
Ary nampaka ny loholona rehetra amin’ny tany ny mpanjakan’ny Israely ka niteny hoe: Miangavy anareo aho, fantaro ka jereo fa mila sotasota mihitsy Ilehiny; fa nandefa iraka tatỳ amiko izy haka ny vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko!
8
Hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky azy.
9
Dia hoy i Ahaba tamin’ny irak’i Beny-Hadada: Lazao amin’ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa dia tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’i Beny-Hadada indray.
10
Dia nandefa iraka tany aminy i Beny-Hadada ka niteny hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy akory ny vovok’i Samaria hameno ny tanana an’ilan’ireto olona manaraka ahy ireto!
11
Ary namaly ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no holazainareo aminy: Aoka izay vao misikina hiady mba tsy hirehareha toy izay efa mamaha fehikibo avy niady!
12
Rehefa ren’i Beny-Hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao amin’ny trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin’ny mpanompony: Milahara ianareo! Dia nilahatra hanafika ny tanàna ireo.
13
Ary indro, nisy mpaminany iray nanatona an’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hitanao va ireo vahoaka marobe rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio, dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
14
Ary hoy i Ahaba: Amin’ny alalan’iza? Dia hoy izy: Izao no lazain’NY TOMPO: Amin’ny alalan’ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana. Dia hoy izy: Iza ary no hanokatra ny ady? Ianao, hoy izy.
15
Ary nandamina ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izy, koa roa amby telopolo sy roanjato no isany; manaraka izany, nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’Israely rehetra, koa fito arivo no isany.
16
Dia niainga izy ireo tamin’ny mitataovovonana. Fa nisotro i Beny-Hadada ka mamo tao amin’ny trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka roa amby telopolo izay nanampy azy.
17
Ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izany no nivoaka voalohany. Ary nandefa iraka i Beny-Hadada ka nisy nanao tatitra hoe: Misy olona miainga avy any Samaria.
18
Dia hoy izy: Na ho avy hihavana izy, na ho avy hiady, dia ataovy sambo-belona!
19
Dia nivoaka avy tao an-tanàna ary ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana sy ny miaramila izay nanaraka azy.
20
Samy nahafaty olona iray avy izy rehetra ka vaky nandositra ny Arameana ary nenjehin’ny Israely. I Beny-Hadada mpanjakan’i Arama kosa dia nandositra an-tsoavaly, izy mbamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
21
Dia nivoaka ny mpanjakan’ny Israely ary namely ny soavaly sy ny kalesy fitondra miady ka nahafatesany be dia be ny Arameana.
22
Ary nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay mpaminany ka niteny taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy jereo izay ataonao; fa raha miherina ny taona dia hiakatra indray ny mpanjakan’i Arama hiady aminao.
23
Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Arama taminy: Andriamanitry ny havoana ny andriamanitr’izy ireo, koa izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange isika hiady aminy eny amin’ny tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e!
24
Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin’ny toerany avy ka asio governora hisolo azy.
25
Ary ianao kosa, makà miaramila toraky ny miaramilanao izay maty teo, ary soavaly ho solon’ny soavaly sy kalesy fitondra miady ho solon’ny kalesy fitondra miady; dia hiady aminy eny amin’ny tany lemaka isika ka hahery noho izy. Dia nanaiky ny tenin’ireo izy ka nataony araka izany.
26
Nony niherina ny taona dia nandamina ny Arameana i Beny-Hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin’ny Israely.
27
Ny Zanak’Israely rehetra koa dia nalamina sy novatsiana ka lasa hiady aminy. Ary ny Zanak’Israely nitoby tandrifiny dia toy ny andian’osy roa toko kely, fa ny Arameana kosa dia nanenika ny tany.
28
Ary nanatona ilay lehilahin’Andriamanitra ka nilaza tamin’ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nilaza ny Arameana hoe: Andriamanitry ny havoana ihany NY TOMPO fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo vahoaka marobe rehetra ireo ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
29
Dia nitoby nifanandrify nandritra hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ny andro fahafito dia raikitra ny ady ka indray andro monja ny Zanak’Israely dia nahafaty miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ny Arameana.
30
Ny sisa kosa dia nandositra nankany Afeka tao an-tanàna; nefa nianjeran’ny manda ny olona fito arivo sy roa alina sisa. I Beny-Hadada kosa dia nandositra nankany an-tanàna ka nifindrafindra efitrano.
31
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ny taranak’Israely; koa miangavy anao aho, avelao hisikina lamba fisaonana izahay ary hanisy mahazaka ny lohanay dia hankany amin’ny mpanjakan’ny Israely; angamba hovelominy ny ainao.
32
Dia nisikina lamba fisaonana izy ary nasiany mahazaka ny lohany dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely izy ka niteny hoe: Izao no tenin’i Beny-Hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko! Ary hoy i Ahaba: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
33
Ary nataon’ireo olona ireo fa fambara tsara izany ka tsy niahotrahotra izy ireo nandray azy tamin’ny teniny ka niteny hoe: Rahalahinao hoe i Beny-Hadada! Dia hoy i Ahaba: Mandehana, alao izy. Dia nankany aminy i Beny-Hadada ka nasainy niakatra ho eo amin’ny kalesy fitondrany miady.
34
Ary hoy i Beny-Hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ny raiko tamin’ny rainao dia hampodiko; ary manaova varotra ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ny raiko tany Samaria. Dia hoy i Ahaba: Havelako handeha ianao noho izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka namela azy handeha.
35
Ary nisy lehilahy iray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ny namany araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Miangavy anao aho, kapohy aho! Tsy nety nikapoka azy anefa ilay namany.
36
Dia hoy izy taminy: Satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianao, indro, raha vao miala amiko eto ianao dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy tokoa ilay namany dia nisy liona nifanena taminy ka namono azy.
37
Ary nahita lehilahy hafa indray ilay mpaminany ka niteny hoe: Miangavy anao aho, kapohy aho! Ary nikapoka azy ilay lehilahy ka naharatra azy.
38
Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin’ny masony mba tsy hahafantarana azy.
39
Nony nandalo ny mpanjaka dia nitaraina taminy ilay mpaminany hoe: Izaho mpanomponao dia nankany anatin’ny ady; ary indro, nisy lehilahy iray nivily ka nitondra lehilahy iray tany amiko sady niteny hoe: Hazòny ity lehilahy ity; fa raha toa ka lasa izy dia ny ainao no hisolo ny ainy, na handoa volafotsy iray talenta ianao!
40
Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao dia lasa izy. Hoy ny mpanjakan’ny Israely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao ihany no nilaza izany.
41
Ary nesoriny haingana ilay fehiloha tamin’ny masony ka fantatry ny mpanjakan’ny Israely fa isan’ny mpaminany izy.
42
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay tena nataoko ho zavatra voaozona, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
43
Ary nandeha ho any an-tranony sady maloka tarehy no sosotra ny mpanjakan’ny Israely, dia tonga tany Samaria.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22