bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 17
1 Kings 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
1
Ary i Elia tisbita, isan’izay nivahiny tany Gileada, dia nilaza tamin’i Ahaba hoe: Raha velona koa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay tompoiko, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
2
Ary tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe:
3
Mialà teto ianao, dia mankanesa any atsinanana, ary miere any anilan’ny renirano Kerita, izay any atsinanan’i Jordana.
4
Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika dia efa nodidiako hamelona anao any.
5
Dia lasa izy ka nanatanteraka ny tenin’NY TOMPO; nandeha izy ka nitoetra teo anilan’ny renirano Kerita any atsinanan’i Jordana.
6
Goaika tokoa no nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary tamin’ny renirano no nisotroany.
7
Nony ela anefa dia ritra ny renirano noho ny tsy fisian’ny ranonorana tamin’ny tany.
8
Dia tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe:
9
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay momba an’i Sidona, dia mitoera any. Fa indro, misy vehivavy mpitondratena izay notendreko hamelona anao any.
10
Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Nony teo am-bavahadin’ny tanàna izy dia indro nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo. Niantso azy i Elia ka niteny hoe: Miangavy anao aho, mba itondray rano kely amin’ny siny aho mba hosotroiko.
11
Nony lasa haka izany Ravehivavy dia niantso azy indray i Elia hoe: Miangavy anao aho, mba itondray mofo kely eny an-tananao koa aho.
12
Hoy anefa Ravehivavy: Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran’ny tanana an’ila ao amin’ny siny kely sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara; ary, e! Maka tapa-kitay roa aho izao ary hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka dia ho faty izahay.
13
Hoy i Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra ka manaova araka izany lazainao izany. Nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha dia ento etỳ amiko, fa avy eo vao manaova ho anao sy ny zanakao indray.
14
Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ny siny kely ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ny tavoara, mandra-pahatongan’ny andro handatsahan’NY TOMPO ranonorana amin’ny tany.
15
Dia nandeha Ravehivavy ka nanatanteraka ny tenin’i Elia, ary izy sy Ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
16
Tsy lany ny koba tao amin’ny siny kely ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ny tavoara, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Elia.
17
Tatỳ aoriana dia narary ny zanak’ilay vehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny ka efa tsy nisy fofonaina intsony ilay zaza.
18
Dia hoy Ravehivavy tamin’i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko hampahatsiaro ny fahotako va ianao ka hahafaty ny zanako?
19
Hoy i Elia taminy: Omeo ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any amin’ny efitrano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandrianany.
20
Nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Ry TOMPO Andriamanitro ô, moa hahatonga loza tamin’ny mpitondratena izay ivahiniako koa va Ianao ka hahafaty ny zanany?
21
Dia niampatra intelo tamin’ny zaza izy sady nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ity zaza ity!
22
Ary NY TOMPO nihaino ny feon’i Elia ka nody taminy indray ny ain’ilay zaza ary velona izy.
23
Dia nandray ny zaza i Elia ka nitondra azy nidina avy tao amin’ny efitrano ambony ho ao anaty trano ary natolony ny reniny sady hoy izy: Jereo, velona ny zanakao!
24
Ary hoy Ravehivavy tamin’i Elia: Ankehitriny dia fantatro fa lehilahin’Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’NY TOMPO aloaky ny vavanao.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22