bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 8
1 Kings 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
1
Taorianan’izany i Solomona mpanjaka dia namory tany aminy any Jerosalema ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Zanak’Israely, mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy ao Ziona, Tanànan’i Davida.
2
Dia nivory tao amin’i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ny Israely tamin’ny andro firavoravoana tamin’ny volana Etanima na ny volana fahafito.
3
Ary tonga ny loholon’ny Israely rehetra ka ny mpisorona no nitondra ny vata misy ny Fanekena.
4
Dia nampiakariny ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny tranolay fihaonana mbamin’ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny mpisorona sy ny levita ireo zavatra ireo.
5
Ary i Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny vata misy ny Fanekena, dia namono zavatra hatao fanatitra: Ondry aman’osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
6
Ary ny mpisorona dia nampiditra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ho ao amin’ny fitoerany ao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
7
Fa nivelatra teo ambonin’ny toeran’ny vata misy ny Fanekena ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny vata misy ny Fanekena sy ny baony.
8
Lava ny bao ka hita ny tendrony raha avy eo amin’ny fitoerana masina eo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, nefa tsy hita avy eny ivelany. Mbola ao mandraka androany ireo.
9
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa izay nataon’i Mosesy tao anatiny, tany Horeba, tamin’ny nanaovan’NY TOMPO fanekena tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy.
10
Nony nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’NY TOMPO ny rahona.
11
Tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitry NY TOMPO nameno ny tranon’NY TOMPO.
12
Dia hoy i Solomona: NY TOMPO efa nilaza fa hitoetra ao amin’ny haizim-pito Izy!
13
Efa nanao trano honenanao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay!
14
Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. Nijoro avokoa ny fiangonan’ny Israely.
15
Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nanatanteraka izany taminy, dia ilay teny hoe:
16
Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ireo firenen’ny Israely hanorenako trano hitoeran’ny anarako; nefa nifidy an’i Davida Aho hitondra ny Israely oloko.
17
Ary efa tonga tao am-pon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
18
Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
19
Kanefa kosa tsy ianao no hanorina ny Trano fa ny zanakao izay haterakao; izy no hanorina ny Trano ho an’ny anarako.
20
Ary NY TOMPO efa nanatanteraka ny teniny izay nolazainy. Koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka izay nolazain’NY TOMPO, sady izaho koa dia efa nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
21
Nasiako toerana ho an’ny vata izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO ao, dia ilay nataony tamin’ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta.
22
Ary nijoro teo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, i Solomona sady namelatra ny tanany nanandrify ny lanitra
23
no niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy andriamanitra tahaka Anao na any amin’ny lanitra ambony na etỳ amin’ny tany ambany, izay mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo,
24
sady efa nanatanteraka tamin’i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain’ny vavanao izany dia notanterahin’ny tananao tahaka ny amin’izao anio izao.
25
Ankehitriny, ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho amin’i Davida mpanomponao ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako, izay hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
26
Koa ankehitriny, ry Andriamanitry ny Israely ô, mifona aminao aho, aoka ho to anie ny teninao izay nolazainao tamin’i Davida raiko mpanomponao.
27
Andriamanitra va honina etỳ an-tany tokoa? E, ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!
28
Koa atreho ny vavaka sy ny fifonan’ny mpanomponao, ry TOMPO Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao eto anatrehanao anio.
29
Aoka hihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity ny masonao, dia amin’ny toerana nolazainao hoe: Ao no hisy ny anarako, mba hihainoanao ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao izay manatrika ity toerana ity.
30
Koa henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
31
Raha misy olona manota amin’ny namany ka asaina mianiana, ary tonga hianiana eo anoloan’ny alitaranao amin’ity trano ity izy,
32
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mihetseha ary tsarao ny mpanomponao, mba hanamelohana ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ny lohany ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
33
Raha resy eo anoloan’ny fahavalo ny Israely olonao noho ny nanotany taminao ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona Aminao eto amin’ity trano ity izy,
34
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny Israely olonao, ary ampodio amin’ny tany nomenao ny razany izy.
35
Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ny olona Taminao, nefa mivavaka manatrika ity toerana ity izy ary manaiky ny anaranao sady miala amin’ny fahotany, satria ampahorinao,
36
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao izay nomenao ho lovan’ny olonao.
37
Raha misy mosary amin’ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ny hafanana ny vary, na maty fotsy, na koa misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ny taniny, dia ao amin’ny tanànany, ka na inona fahoriana, na inona aretina,
38
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ny olona rehetra, na ny Israely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ny fony avy ka mamelatra ny tanany manatrika ity trano ity izy,
39
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka mamelà heloka, ary mihetseha ka omeo araka ny alehany rehetra ny olona; fa fantatrao ny fony, fa Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
40
mba hatahorany Anao amin’izay andro rehetra iainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.
41
Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao izy,
42
satria ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao natsotra; koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity
43
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Israely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no antsoina eto amin’ity trano naoriko ity.
44
Raha miainga hiady amin’ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’NY TOMPO manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao izy,
45
dia henoy any an-danitra ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy.
46
Raha manota aminao izy, satria tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy eo anoloan’ny fahavalony ka hoentin’ny mpamabo ho babo any amin’ny tanin’ny fahavalo izy, na ho lavitra izany na ho akaiky,
47
raha mahatsiaro any amin’ny tanin’ireo mamabo azy ireo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ny tany izay nitondrany azy ho babo any ary miteny hoe: Efa nanota izahay sady nanao izay meloka sy nanao izay ratsy,
48
raha miverina aminao amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ao amin’ny tanin’ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka Aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao,
49
dia henoy any an-danitra fonenanao ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy.
50
Eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota Taminao, ary mamelà ny fahadisoany rehetra izay nataony Taminao; ataovy mahazo famindrampo amin’izay mamabo azy izy ka hamindra fo aminy ireo.
51
Fa olonao sy lovanao izy ary noentinao nivoaka avy tany Ejipta, dia avy tao amin’ny memy fandrendreham-by,
52
Aoka hihiratra ny masonao amin’ny fifonan’ny mpanomponao sy ny fifonan’ny Israely olonao ka hihainoanao azy amin’izay rehetra iantsoany Anao.
53
Fa Ianao no nanavaka azy tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho lovanao, araka izay nampilazainao an’i Mosesy mpanomponao tamin’ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry TOMPO Andriamanitra ô!
54
Rehefa vita izany vavaka sy fifonana rehetra nataon’i Solomona tamin’NY TOMPO izany dia nitsangana izy ka niala teo amin’ny alitaran’NY TOMPO izay nandohalehany sy namelarany ny tanany ho amin’ny lanitra.
55
Dia nijoro nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, tamin’ny feo mahery izy hoe:
56
Isaorana anie NY TOMPO, izay nanome fitsaharana ho an’ny Israely olony araka izay rehetra nolazainy! Tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.
57
Ho amintsika anie NY TOMPO Andriamanitsika, tahaka ny tamin’ny razantsika. Enga anie ka tsy handao na hahafoy antsika Izy
58
fa mba hampanatoniny Azy ny fontsika hahazoantsika mandeha amin’ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalànany sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika!
59
Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’NY TOMPO izany ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika andro aman’alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Israely olony araka izay tandrify azy isanandro,
60
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa NY TOMPO no Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
61
Ho marina amin’NY TOMPO Andriamanitsika anie ny fonareo, mba handehananareo amin’ny didiny sy hitandremanareo ny lalànany, tahaka ny amin’izao anio izao.
62
Niaraka tamin’ny Israely rehetra namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO ny mpanjaka.
63
Namono zavatra hatao fanati-pihavanana izay natolony ho an’NY TOMPO i Solomona, dia omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Zanak’Israely rehetra ny tranon’NY TOMPO.
64
Tamin’io andro io no nanamasinan’ny mpanjaka ny teo afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO, satria teo no nanolorany fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana, rehefa hita fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’NY TOMPO ka tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana naterina.
65
Tamin’io fotoana io i Solomona, niaraka tamin’ny Israely rehetra, dia fiangonana lehibe izay tonga hatrany akaikin’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika hafitoana indroa, izany hoe efatra amby folo andro.
66
Tamin’ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona. Dia nisaotra ny mpanjaka ireo ka lasa nandeha ho any amin’ny tranolainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely olony.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22