bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 21
1 Kings 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
1
Taorianan’izay dia izao no zava-nitranga: I Nabota jezirelita dia nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, akaikin’ny lapan’i Ahaba, mpanjakan’i Samaria.
2
Ary niteny tamin’i Nabota i Ahaba hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ny lapako izy io. Hatakaloko tanim-boaloboka tsara noho io, na vola izay tokony ho vidin’io, raha izany no sitraky ny fonao.
3
Hoy anefa i Nabota tamin’i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’NY TOMPO izany! Tsy homeko anao ny tanindrazako!
4
Ary nankany an-tranony i Ahaba, sady maloka tarehy no sosotra noho ny teny nolazain’i Nabota jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako! Dia nandry teo am-parafarany izy ka nanodina ny tavany ary tsy nety nihinan-kanina.
5
Ary nankeo aminy i Jezebela vadiny ka niteny taminy hoe: Inona no mampahasosotra anao toy izao no tsy mety mihinan-kanina ianao?
6
Hoy izy taminy: Satria niteny tamin’i Nabota jezirelita aho hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola na hatakaloko tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao. Nefa hoy izy tamiko: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko!
7
Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ny Israely? Miarena, mihinàna hanina ary aoka ho ravoravo ny fonao! Izaho no hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita!
8
Ary nanoratra taratasy maromaro tamin’ny anaran’i Ahaba i Jezebela ka notombohiny tamin’ny fitombo-kasen’ny mpanjaka. Avy eo ireo taratasy ireo dia nampitondrainy ho any amin’ny loholona sy ny manankaja tao an-tanànany, dia ireo niara-monina tamin’i Nabota.
9
Izao no nosoratany tao amin’ireo taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary asaivo mipetraka eny aloha eo amin’ny vahoaka i Nabota.
10
Dia asio roa lahy izay tena ratsy fanahy mipetraka manatrika azy sady hiampanga azy hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao! Dia ento miala teo izy ka torahy vato ho faty.
11
Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manankaja izay nonina tao, nanatanteraka izay nanirahan’i Jezebela tany aminy, dia izay voasoratra tao amin’ireo taratasy nampitondrainy tany aminy.
12
Niantso andro fifadian-kanina tokoa izy ireo ka nametraka an’i Nabota teny aloha teo amin’ny vahoaka.
13
Ary niditra ireo roalahy tena ratsy fanahy ka nipetraka nanatrika azy, dia niampanga an’i Nabota ireo ka niteny hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Dia noentin’ny olona nivoaka teny ivelan’ny tanàna i Nabota dia notorahiny vato ka maty.
14
Dia nandefa iraka tany amin’i Jezebela izy ireo hilaza hoe: Efa voatora-bato i Nabota ka maty.
15
Rehefa ren’i Jezebela fa voatora-bato i Nabota ka maty dia hoy izy tamin’i Ahaba: Mitsangàna ka raiso ho anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony i Nabota fa efa maty.
16
Rehefa ren’i Ahaba fa efa maty i Nabota dia niainga izy ka nidina nankany amin’ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita mba handray ny tany ho fananany.
17
Ary tonga tamin’i Elia tisbita ny tenin’NY TOMPO hoe:
18
Miaingà ka midìna hihaona amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ny tanim-boalobok’i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba handray ny tany ho fananany.
19
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa namono va ianao ka mbola haka ho anao koa? Ary hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Eo amin’ny tany izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao, dia ny anao indrindra.
20
Hoy i Ahaba tamin’i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary hoy i Elia: Azoko ianao, satria ianao dia efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO.
21
Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ny taranak’i Ahaba, na ny gadra, na ny olona afaka amin’ny Israely.
22
Ary ny taranakao dia hataoko tahaka ny taranak’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tahaka ny taranak’i Basa, zanak’i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Israely.
23
Ary ny amin’i Jezebela koa dia nolazain’NY TOMPO hoe: Ny alika no hihinana an’i Jezebela eny ivelan’ny mandan’i Jezirela.
24
Izay tamingan’i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ny voromanidina.
25
Fa tsy nisy tahaka an’i Ahaba, izay nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny.
26
Ary be ny fahavetavetana nataony tamin’ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ny Amorita, izay noroahin’NY TOMPO teo anoloan’ny Zanak’Israely.
27
Rehefa ren’i Ahaba izany teny izany dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin’ny lamba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
28
Ary tonga tamin’i Elia tisbita ny tenin’NY TOMPO hoe:
29
Hitanao va ny nanetren’i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin’ny androny; fa any amin’ny andron’ny zanany Aho vao hahatonga loza amin’ny taranany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22