bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 3
1 Kings 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 4 →
1
Tonga vinanton’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Solomona. Nanambady ny zanakavavin’i Farao izy ary nitondra azy ho ao an-Tanànan’i Davida mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon’NY TOMPO ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.
2
Mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany anefa ny olona fa tsy mbola nisy trano vita ho an’ny anaran’NY TOMPO hatramin’izany andro izany.
3
Ary tia NY TOMPO i Solomona ka nizotra araka ny dian’i Davida rainy; nefa mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany koa izy.
4
Nankany Gibeona mba hamono zavatra hatao fanatitra any ny mpanjaka, fa izany no toerana fanaovana sorona lehibe indrindra. Fanatitra dorana manontolo miisa arivo no naterin’i Solomona teo amin’izany alitara izany.
5
Tao Gibeona no nisehoan’NY TOMPO tamin’i Solomona tamin’ny nofy nony alina. Hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
6
Dia hoy i Solomona: Ianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ny fony taminao; ary Ianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany tahaka ny amin’izao anio izao.
7
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, Ianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko; nefa izaho moa mbola zaza ihany ka tsy fantatro akory izay tokony hataoko.
8
Ary izaho mpanomponao koa dia eo afovoan’ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9
Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hoentiko mitsara ny olonao, mba hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy! Fa iza moa no mahay mitsara izao olona betsaka izao?
10
Sitraky NY TOMPO ny nangatahan’i Solomona izany zavatra izany
11
ka hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao fa tsy ny ho ela velona, na ny hanankarena, na ny ain’ny fahavalonao, fa satria fahaizana hitsara no nangatahinao,
12
dia indro, efa nanatanteraka ny teninao Aho, dia efa nanome anao saina hendry sady mahiratra izao, koa tsy nisy tahaka anao ny talohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ao aoriananao.
13
Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin’ny andronao rehetra.
14
Ary raha mandeha amin’ny lalako ianao ka hitandrina ny lalànako sy ny didiko, tahaka ny nandehanan’i Davida rainao, dia hataoko ela velona ianao.
15
Dia nahatsiaro i Solomona ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy dia nitsangana teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra izy.
16
Tamin’izay dia nisy vehivavy janga roa nankao amin’ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
17
Hoy ilay vehivavy iray: Trara antitra ianao, tompokolahy! Izaho sy ity vehivavy ity dia miray trano; niteraka tao an-trano aho sady tao koa izy.
18
Nony efa niteraka hateloana aho dia mba niteraka koa Ravehivavy ity. Izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano fa izahay roa vavy ihany.
19
Ary maty tamin’ny alina ny zanak’ity Ravehivavy ity, fa voatsindriny.
20
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ilay natory iny aho mpanompovavinao, dia nampandriany teo an-tratrany, fa ny azy maty no napetrany teo an-tratrako.
21
Nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, dia indro fa maty. Kanjo rehefa nofantariko izy nony maraina dia hitako fa tsy ny zanako naterako!
22
Hoy kosa anefa ilay iray: Tsia! Ny velona no zanako fa ny maty no zanakao. Nefa hoy indray ny iray: Tsia! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako. Izany no tenin’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka.
23
Hoy ny mpanjaka: Ny iray dia miteny hoe: Ity velona ity no zanako fa ny maty no zanakao! Ary hoy kosa ny iray: Tsia! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako!
24
Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Dia noentina ho eo anatrehan’ny mpanjaka ny sabatra.
25
Ary hoy ny mpanjaka: Zarao roa ny zaza velona ka omeo ny iray ny antsasany ary ho an’ny iray kosa ny antsasany.
26
Nefa niteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy, renin’ny zaza velona, satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ny zanany ka hoy izy hoe: Tompokolahy ô, trara antitra ianao! Omeo azy ihany ary ny zaza velona fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao fa zarao e!
27
Dia hoy ny mpanjaka: Omeo an’itsy ny zaza velona fa aza vonoina. Io mihitsy no reniny.
28
Rehefa ren’ny Israely rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa ao am-pony ny fahendren’Andriamanitra hoentiny mitsara.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22