bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 14
1 Kings 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 15 →
1
Indray andro dia narary i Abia, zanak’i Jeroboama.
2
Hoy i Jeroboama tamin’ny vadiny: Miangavy anao aho, mitsangàna ka miovà endrika mba tsy ho fantatr’olona hoe vadin’i Jeroboama ianao. Dia mankanesa any Silo, fa indro, ao i Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ity firenena ity aho.
3
Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara ka mankanesa any aminy; fa hanambara aminao izay ho momba ny zaza izy.
4
Dia nanatanteraka izany ny vadin’i Jeroboama ka niainga nankany Silo, dia nankao an-tranon’i Ahia. Efa tsy nahita intsony i Ahia fa efa pahina noho ny fahanterana ny masony.
5
Nefa NY TOMPO efa nilaza tamin’i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’i Jeroboama hanontany anao ny amin’ny zanany, fa marary izy. Ary izao ka izao no holazainao aminy. Nefa rehefa miditra manketo aminao izy dia mody hiseho ho vehivavy hafa.
6
Nony ren’i Ahia ny figodongodon’ny tongony raha vao niditra teo am-baravarana izy dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’i Jeroboama! Nahoana ianao no mody olon-kafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
7
Koa mandehana, lazao amin’i Jeroboama hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Satria nanandratra anao avy tamin’ny olona Aho ka nanendry anao ho mpitarika ny Israely oloko
8
dia nendahiko ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ny fanjakana ka nomeko anao; nefa ianao kosa dia tsy mba tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo mba tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany.
9
Fa nanao izay ratsy mihoatra noho izay rehetra talohanao ianao ka lasa nanao andriamanitra hafa sy sarin-javatra voarendrika ka nahatezitra Ahy, ary Izaho narianao teo ivohonao:
10
Noho izany dia indro, hahatonga loza amin’ny taranak’i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ny tamingan’i Jeroboama, na ny voagadra, na ny olona afaka amin’ny Israely ary hanaisotra ny sisa amin’ny taranak’i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-pahafoanany tanteraka.
11
Koa izay tamingan’i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ny voromanidina; fa NY TOMPO no efa niteny.
12
Koa mitsangàna ianao ka modia any an-tranonao. Raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao dia indro, ho faty ny zaza.
13
Ary ny Israely rehetra dia hisaona sy handevina azy; fa amin’ny tamingan’i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana hatsaram-panahy teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
14
Ary hanangana mpanjaka ho an’ny Israely NY TOMPO ka handringana ny taranak’i Jeroboama izy io. Izao anio izao izany! Ahoana hoe? Izao ankehitriny izao ihany!
15
Fa NY TOMPO hamely ny Israely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Israely amin’ity tany soa nomeny ny razany ity, ary hanely azy ho any andafin’ny ony Eofrata, satria nanao ireo tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany izy ka nahatezitra NY TOMPO.
16
Ary Izy hanolotra ny Israely noho ny fahotana izay nataon’i Jeroboama sady nampanotany ny Israely koa.
17
Dia niainga ny vadin’i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa tonga teo amin’ny tokonam-baravarana izy dia maty ny zazalahy.
18
Nandevina azy ny Israely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia mpaminany mpanompony.
19
Ny tantaran’i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
20
Roa amby roapolo taona ny fotoana nanjakan’i Jeroboama. Nodimandry any amin’ny razany izy. I Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
21
Ary nanjaka tamin’i Joda i Rehoboama, zanak’i Solomona. Iraika amby efapolo taona i Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely rehetra mba hametrahany ny anarany. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.
22
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Joda ka nampahasaro-piaro Azy. Ny fahotana izay nataony dia mihoatra noho izay rehetra nataon’ny razany.
23
Fa izy ireo koa dia nanao toerana fanaovana sorona sy tsangambaton-tsampy ary tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teny an-tampon’ny vohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
24
Nisy koa aza ireo olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ny tany ka nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO teo anoloan’ny Zanak’Israely.
25
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama mpanjaka dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta.
26
Nalainy ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka; lasany avokoa izany rehetra izany. Nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’i Solomona.
27
Ary nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka.
28
Koa na oviana na oviana no nidiran’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia noentin’ny mpiambina ireny ary naveriny tao amin’ny efitranon’ny mpiambina indray avy eo.
29
Ny tantaran’i Rehoboama sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
30
Niady mandrakariva i Rehoboama sy i Jeroboama.
31
Nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. I Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22