bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 5
1 Kings 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 6 →
1
Nanjaka tamin’ny fanjakana rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata sy ny tanin’ny Filistina ka hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta i Solomona; nandoa hetra ireo sady nanompo an’i Solomona tamin’ny andro rehetra niainany.
2
Ny fihinan’i Solomona isanandro dia koba tsara toto telopolo kora, sy koba hafa enimpolo kora,
3
omby mifahy folo sy omby an-tondraka roapolo ary ondry aman’osy zato, ankoatra ny diera, ny gazela ary ny osidia mbamin’ny vorona mifahy.
4
Fa nanapaka tamin’ny tany rehetra atỳ andafin’ny ony Eofrata, hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ny mpanjaka rehetra etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary tsara fihavanana tamin’ireo rehetra manodidina izy ka notoavin’ireny.
5
Nandry fehizay ny Joda sy ny Israely tamin’ny andron’i Solomona rehetra. Samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba.
6
Nanana efitrano efatra alina, fitoeran’ny soavaly mpitarika kalesy fitondra miady, ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina i Solomona.
7
Ireo mpifehy voatendry dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’i Solomona mpanjaka sy izay rehetra noentina teo amin’ny latabatr’i Solomona mpanjaka; izy rehetra koa dia samy niadidy ny amin’ny iray volana anjarany avy ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
8
Noentiny ho ao amin’ny toerana izay tokony hitondrana azy koa ny varimbazaha sy ny mololo ho an’ny soavaly tsotra sy ny soavaly haingam-pandeha, samy araka ny anjara asany avy.
9
Ary Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be tokoa ary fahalalana maro tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
10
Izany fahendren’i Solomona izany dia nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny Atsinanana rehetra sy ny fahendren’i Ejipta manontolo.
11
Fa hendry noho ny olona rehetra izy. Eny, hendry mihoatra noho i Etana ezrahita, i Hemana, i Kalkola ary i Darda, zanak’i Mahola, aza izy; niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
12
Nilaza ohabolana telo arivo izy sady nanao tononkira dimy sy arivo.
13
Nilaza ny amin’ny hazo izy, hatramin’ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ny hisopa izay maniry eny amin’ny rindrina; mbola nilaza ny amin’ny biby, ny voromanidina, ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa izy.
14
Dia nisy tonga avy tany amin’ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’i Solomona, dia avy amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra izay nahare ny amin’ny fahendreny.
15
Naniraka ny mpanompony ho any amin’i Solomona i Hirama, mpanjakan’i Tiro, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby ny rainy. I Hirama dia sakaizan’i Davida hatry ny ela.
16
Dia nandefa iraka tany amin’i Hirama i Solomona hilaza hoe:
17
Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy nahavita trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny noho ny ady natrehany tamin’ny manodidina azy, ambara-panaon’NY TOMPO an’ireo ho eo ambanin’ny faladiany.
18
Fa ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitro dia efa nanome ahy fitsaharana amin’ny manodidina ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
19
Koa indro, izaho dia mikasa hanao trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro, araka ilay nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ny anarako.
20
Koa mba asaivo misy manapaka hazo sedera ho ahy any Libanona. Ny vahoakako no hiaraka amin’ny vahoakanao, koa ny karaman’ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona mahay manapaka hazo tahaka ny Sidoniana atỳ aminay.
21
Rehefa ren’i Hirama ny tenin’i Solomona dia faly tokoa izy ka niteny hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie NY TOMPO, izay nanome zanakalahy hendry ho an’i Davida mba hitondra izao olona marobe izao.
22
Dia nandefa iraka tany amin’i Solomona i Hirama hilaza hoe: Efa reko ny hafatra nampitondrainao tatỳ amiko. Koa hanao izay rehetra irinao aho ny amin’ny hazo sedera sy ny hazo kipreso.
23
Ny vahoakako no hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin’ny ranomasina, ary hofeheziko ireo ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ny rano ho any amin’izay toerana hotononinao, ary any izy vao hoborahiko ka ianao no hampaka azy. Ary ianao dia hanatanteraka izay iriko amin’ny fanomezana sakafo ho an’ny ankohonako.
24
Dia nanome hazo sedera sy kipreso ho an’i Solomona araka izay rehetra nilainy i Hirama.
25
I Solomona kosa nanome an’i Hirama varimbazaha roa alina kora ho sakafon’ny ankohonany, ary diloilo roapolo kora avy amin’ny oliva voatoto; ireo no nomen’i Solomona an’i Hirama isan-taona isan-taona.
26
Ary NY TOMPO nanome fahendrena an’i Solomona, araka izay nolazainy taminy. Nihavana i Hirama sy i Solomona ka nanao fanekena izy roa lahy.
27
Naka olona tamin’ny Israely rehetra i Solomona mpanjaka mba hanao fanompoana ka olona telo alina no nalainy.
28
Nirahiny nankany Libanona ireny ka iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana ireo no tany Libanona fa roa volana kosa mba tany an-tranony. I Adonirama no nifehy azy rehetra.
29
Nanana mpitondra entana fito alina sy mpipaika vato valo alina tany an-tendrombohitra i Solomona,
30
afa-tsy ny lehiben’ireo mpifehy voatendrin’i Solomona izay nitandrina ny raharaha: Telonjato sy telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
31
Ary ny mpanjaka dia namoaka didy hanamboarana vato sady vaventy tsara no voapaika, hatao fototry ny Trano.
32
Ny mpiasan’i Solomona sy Hirama, sy ny avy any Gebala no nipaika ny vato sy nanamboatra ny hazo hananganana ny Trano.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22