bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 9
1 Kings 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
1
Rehefa vitan’i Solomona araka izay rehetra niriny hotanterahina ny fananganana ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka
2
dia niseho tamin’i Solomona indray NY TOMPO, tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3
Hoy NY TOMPO taminy: Efa reko ny vavaka sy ny fifonana izay nataonao teo anatrehako; koa hamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay, ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4
Ary raha mandeha eo anatrehako ianao, tahaka ny nandehanan’i Davida rainao tamin’ny fahitsian’ny fo sy ny fahamarinana ka manatanteraka izay rehetra nandidiako anao sady mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
5
dia hampitoeriko mandrakizay amin’ny Israely ny sezafiandrianan’ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao.
6
Fa raha miala amin’ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalànako sy ny didiko izay nataoko teo anoloanareo ka mandeha manompo andriamanitra hafa sy miankohoka eo anatrehany,
7
dia hofongorako tsy ho amin’ny tany izay nomeko azy ny Israely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ny anarako ity dia hovereziko tsy ho eo anatrehako; ary ho tonga oha-pitenenana sy faneso any amin’ny firenena rehetra ny Israely;
8
ary na dia avo aza ity trano ity dia mbola hitalanjonan’izay rehetra mandalo izy sady hisioka azy ireo ka hilaza hoe: Naninona re no dia nataon’NY TOMPO toy izao ity tany ity sy ity trano ity?
9
Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy NY TOMPO Andriamaniny izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, fa nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sy niankohoka teo anatrehany izy ireo ka nanompo izany; izany no nampidiran’NY TOMPO izao loza rehetra izao taminy.
10
Roapolo taona no nanaovan’i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka.
11
Ary satria i Hirama, mpanjakan’i Tiro, nanome an’i Solomona hazo sedera sy hazo kipreso ary volamena, araka izay rehetra niriny, dia nomen’i Solomona tanàna roapolo tany amin’ny tany Galilia izy.
12
Niala tany Tiro hizaha ny tanàna izay nomen’i Solomona azy i Hirama, nefa tsy tiany ireny.
13
Hoy izy: Inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kabola mandraka androany.
14
Nampanatitra volamena roapolo amby zato talenta ho an’ny mpanjaka kosa anefa i Hirama.
15
Nampanao fanompoana ny olona i Solomona mpanjaka tamin’ny nanaovany ny tranon’NY TOMPO, ny lapan’andriana, i Milo, ny mandan’i Jerosalema, i Hazora, i Megido ary i Gezera.
16
I Farao, mpanjakan’i Ejipta moa dia nanafika an’i Gezera ka nahazo azy ary nandoro azy tamin’ny afo. Ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny ka ny tanàna dia natolony ho fanomezana ho an’ny zanany vavy, vadin’i Solomona.
17
Namboarin’i Solomona mpanjaka i Gezera, i Bety-Horona ambany,
18
i Baleta ary i Tadmora any an-tany efitra, any amin’ny tany Hamata,
19
mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra.
20
Ary ny olona sisa rehetra tamin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Zanak’Israely,
21
izany hoe ny taranak’izy ireo izay sisa nandimby azy teo amin’ny tany, ary tsy azon’ny Israely natao ho zavatra voaozona, ireo no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.
22
Tsy nisy nampanaovin’i Solomona fanompoana kosa tamin’ny Zanak’Israely, satria izy ireo no miaramila miady, mpanompony, mpitari-tafika, mpanafika, lehiben’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
23
Izao no isan’ireo mpifehy voatendry izay nitandrina ny asan’i Solomona: Dimampolo sy dimanjato lahy ny mpifehy ny vahoaka manao ny asa.
24
Rehefa niakatra avy any amin’ny Tanànan’i Davida hankany amin’ny tranony izay nataon’i Solomona ho azy ny zanakavavin’i Farao, izay vao nanangana an’i Milo koa izy.
25
Intelo isan-taona no nanoloran’i Solomona fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho an’NY TOMPO ka sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ny alitara teo anatrehan’NY TOMPO izy amin’io. Dia novitainy ny Trano.
26
Ary nanao sambo tao Eziona-Gebera, izay ao anilan’i Elota, ao amoron’ny Ranomasina Mena, any amin’ny tany Edoma, i Solomona mpanjaka.
27
I Hirama dia nampandeha ny mpanompony tamin’ny sambo mba hiaraka amin’ny mpanompon’i Solomona, fa izy ireo dia tantsambo nahay ranomasina.
28
Ary nankany Ofira ireo naka volamena roapolo sy efajato talenta noentiny tany amin’i Solomona mpanjaka.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22