bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 6
1 Kings 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 7 →
1
Tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tamin’ny tany Ejipta, tamin’ny volana Ziva, na ny volana faharoa izany, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona tamin’ny Israely, dia nanorina ny tranon’NY TOMPO izy.
2
Ny trano naorin’i Solomona mpanjaka ho an’NY TOMPO dia enimpolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony.
3
Ny lalantsara fidirana teo anoloan’ny efitrano lehibe dia roapolo hakiho ny lavany mifanerana amin’ny sakan’ny Trano, ary folo hakiho ny habeny teo anoloan’ny Trano ihany.
4
Nataony makarakara tsy mivoha ny varavarankelin’ny Trano.
5
Dia nasiany efitrano fanampiny izay miankina amin’ny rindrin’ny Trano sady manodidina azy, na amin’ny efitrano lehibe, na amin’ny fitoerana masina indrindra, ary nasiany paosin-trano manodidina azy.
6
Ny paosin-trano ambany indrindra dia dimy hakiho ny sakany, ny eo antenantenany dia enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony dia fito hakiho ny sakany; fa ny rindrina ivelan’ny Trano kosa dia nahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin’ny rindrin’ny Trano.
7
Tamin’ny nanaovana ny Trano dia vato efa voapaika hatrany an-tsaha fipeham-bato no nanaovany azy ka tsy nisy feon’ny tantanana na fandraka na fiasana vy re tao amin’ny Trano tamin’ny nanaovany azy.
8
Ny varavarana mankao amin’ny efitrano antenantenany dia teo amin’ny ilany havanana amin’ny Trano ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ny efitrano antenantenany; avy tao amin’ny efitrano antenantenany indray no niakarany ho ao amin’ny fahatelo.
9
Natsangany ny Trano ka vitany. Ny nataony tafon’ny Trano dia rairainy nopetahana hazo fisaka sedera.
10
Nanangana paosin-trano manodidina ny Trano izy; dimy hakiho avy ny haavony ary hazo sedera no nikambanany tamin’ny Trano.
11
Ary tonga tamin’i Solomona ny tenin’NY TOMPO hoe:
12
Ny amin’ity trano ataonao ity, raha mandeha araka ny lalànako sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ianao ka manaraka azy dia hotanterahiko aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao;
13
ary hitoetra eo anivon’ny Zanak’Israely Aho ka tsy hahafoy ny Israely oloko.
14
Natsangan’i Solomona ny Trano ka vitany.
15
Nopetahany hazo sedera ny rindrina anatiny amin’ny Trano; hatreo amin’ny vodirindrina ka hatrany amin’ny loharindrina dia nopetahany hazo avokoa; hazo kipreso kosa no nataony gorodon’ny Trano.
16
Ny roapolo hakiho hatreo amin’ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera, hatreo amin’ny vodirindrina ka hatrany amin’ny loharindrina ary nataony efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.
17
Efapolo hakiho ny lavan’ny Trano na ny tempoly, teo anoloan’io.
18
Nosoratany sary voantango sy voninkazo mivelatra ny sedera ao anatin’ny Trano; sedera avokoa ny hazo rehetra fa tsy nisy vato niseho.
19
Nanangana ny fitoerana masina indrindra tao anatin’ny Trano izy mba hametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
20
Teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, izay roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho koa ny haavony, sady voapetaka takelaka volamena tsy miharo, dia nisy alitara izay nopetahany hazo sedera.
21
Nopetahan’i Solomona takelaka volamena voafantina koa ny atin’ny Trano no nasiany rojo volamena misakana eo anoloan’ny fitoerana masina indrindra izay nopetahany takelaka volamena.
22
Nopetahany takelaka volamena avokoa ny anatin’ny Trano manontolo; ary ny alitara manoloana ny fitoerana masina indrindra koa dia nopetahany takelaka volamena manontolo.
23
Tao anatin’ny fitoerana masina indrindra dia nasiany kerobima roa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy. Samy folo hakiho avy ny haavony.
24
Samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima tsirairay, folo hakiho hatreo amin’ny tendron’elany iray ka hatramin’ny tendron’elany iray hafa.
25
Ny kerobima iray koa dia folo hakiho. Ny kerobima roa dia mitovy habe sy mitovy endrika.
26
Folo hakiho ny haavon’ny kerobima iray, ary tahaka izany ihany koa ny kerobima iray hafa.
27
Ny kerobima dia nataony tao afovoan’ny Trano anatiny. Namelatra ny elany ireo, koa ny elatry ny kerobima voalohany sy faharoa dia samy nipaka amin’ny rindrina tandrify azy avy, ary ny elatr’izy ireo dia nifanendry teo afovoan’ny Trano.
28
Nopetahany takelaka volamena koa ny kerobima.
29
Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mamelana ny rindrina manodidina ao amin’ny Trano na tao anatiny na tany ivelany.
30
Nopetahany takelaka volamena ny gorodon’ny Trano na tao anatiny na tany ivelany.
31
Nasiany lelam-baravarana kopa-droa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy ny varavarana mankao amin’ny efitra masina indrindra, koa ny tolanany sy ny momba azy dia ampahadimin’ny sakan’ny Trano.
32
Ny lelam-baravarana kopa-droa dia vita amin’ny oliva maniry ho azy. Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mamelana izany dia nopetahany volamena manify ny kerobima sy ny hazo palma.
33
Toy izany koa ny varavarana mankao amin’ny tempoly; nasiany tolanam-baravarana vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy, mahafeno ny ampahefatry ny sakan’ny Trano.
34
Ary ny lelam-baravarana kopa-droa, vita amin’ny hazo kipreso dia kamban-droa samy nisy savily avy.
35
Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mivelatra ireo dia nopetahany volamena manify ny sorany.
36
Nanao ny kianja tao anatiny tamin’ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.
37
Tamin’ny volana Ziva tamin’ny taona fahefatra no nanaovany ny fanorenana ny tranon’NY TOMPO.
38
Ary tamin’ny volana Bola, izay volana fahavalo, tamin’ny taona fahiraika amby folo, no nahavitany ny Trano araka ny fombany rehetra sy ny antsipiriany rehetra. Fito taona no nanaovany azy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22