bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 2
1 Kings 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 3 →
1
Rehefa antomotra ny andro ahafatesan’i Davida dia nanome didy an’i Solomona zanany lahy izy hoe:
2
Izaho dia efa handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra. Koa mahereza ianao ary misehoa ho lehilahy!
3
Tandremo izay asain’NY TOMPO Andriamanitrao hotandremana ka handehananao amin’ny lalany, hitandremanao ny lalànany, ny didiny, ny fitsipiny ary ny teny vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4
mba hanatanterahan’NY TOMPO ny teny izay nolazainy momba ahy hoe: Raha mitandrina ny alehany ka mandeha eo anatrehako amin’ny fahamarinana amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo ny taranakao dia tsy ho diso zanakalahy eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao.
5
Ary ianao koa dia mahalala izay nataon’i Joaba, zanak’i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy lehiben’ny miaramilan’ny Israely, dia tamin’i Abnera, zanak’i Nera, sy tamin’i Amasa, zanak’i Jetera, izay novonoiny sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady, nefa tsy nisy ady akory, ka nasiany ra toy ny amin’ny ady ny fehikibo nanaovany sy ny kapa teny an-tongony.
6
Koa miasà araka ny fahendrenao ary aza avela hidina any amin’ny fitoeran’ny maty amin’ny fiadanana ny volofotsiny.
7
Fa ny zanak’i Barizilay gileadita kosa dia asio soa, ary avelao izy mba ho isan’izay mihinana eo amin’ny latabatrao; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ireo tany amiko fony nandositra an’i Absaloma rahalahinao aho.
8
Ary indro, ao aminao koa i Simey, zanak’i Gera, Benjaminita avy any Bahorima. Loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany izy, ary tamin’NY TOMPO no nianianako ka nanomezako toky azy hoe: Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao.
9
Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy. Amin’ny ra alatsaka no hampidinanao ny volofotsiny ho any amin’ny fitoeran’ny maty.
10
Dia nodimandry any amin’ny razany i Davida ka nalevina ao an-Tanànan’i Davida.
11
Efapolo taona ny fotoana nanjakan’i Davida teo amin’ny Israely; tao Hebrona no nanjakany fito taona ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telopolo taona.
12
Nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida rainy i Solomona ary niorina tsara ny fanjakany.
13
Ary nankany amin’i Batseba, renin’i Solomona i Adonia, zanakalahin’i Hagita. Hoy Ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy i Adonia: Eny, fihavanana!
14
Hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Dia hoy Ravehivavy: Lazao ary!
15
Dia hoy izy: Ianao dia mahalala fa voatendry ho ahy ny fanjakana, ary ny Israely rehetra dia efa niandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa azony avy tamin’NY TOMPO izany.
16
Koa ankehitriny, zavatra iray loha no mba angatahiko aminao ka aza dia lavinao aho. Hoy Ravehivavy taminy: Lazao ary!
17
Dia hoy izy: Miangavy anao aho, mitenena amin’i Solomona mpanjaka, fa tsy handa anao izy, mba homeny ho vadiko i Abisaga sonemita.
18
Ary hoy i Batseba: Eny ary, hilaza ny momba anao amin’ny mpanjaka aho.
19
Dia nankany amin’i Solomona mpanjaka i Batseba hilaza ny amin’i Adonia. Ary nitsangana hitsena an’i Batseba ny mpanjaka sady niankohoka teo anatrehany dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, ary nasainy nisy nitondra sezafiandrianana ihany koa ho an’ny renin’ny mpanjaka ka nipetraka teo ankavanany izy.
20
Ary hoy ny reniny: Misy zavatra kely iray loha mba angatahiko aminao ka aza dia lavinao aho. Hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry Ineny, fa tsy handa anao aho!
21
Dia hoy izy: Aoka i Abisaga sonemita homena ho vadin’i Adonia rahalahinao.
22
Fa namaly ny reniny i Solomona mpanjaka hoe: Nahoana ianao no mangataka an’i Abisaga sonemita ho an’i Adonia? Angataho ho azy koa ary ny fanjakana fa izy no zokiko, dia ho azy sy i Abiatara mpisorona ary ho an’i Joaba, zanak’i Zeroia.
23
Ary nianiana tamin’NY TOMPO i Solomona mpanjaka hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hovonoina i Adonia noho ny nanaovany izay teny izay!
24
Koa ankehitriny, raha velona koa NY TOMPO, izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hovonoina anio ihany i Adonia.
25
Ary i Solomona mpanjaka dia naniraka an’i Benaia, zanak’i Joiada, hamono an’i Adonia ho faty.
26
Nilazan’ny mpanjaka koa i Abiatara mpisorona hoe: Mandehana ianao mankany Anatota ho any amin’ny taninao, fa olona tokony ho faty ianao; nefa tsy hampamono anao amin’izao andro izao aho, satria nitondra ny vata misy ny Vavolombelon’NY TOMPO Andriamanitra teo alohan’i Davida raiko ianao, sady niara-nitondra fahoriana tamin’ny raiko tamin’izay rehetra nampahoriana azy.
27
Ary naongan’i Solomona tsy ho mpisoron’NY TOMPO i Abiatara, mba hahatanteraka ny tenin’NY TOMPO, dia ilay nolazainy tao Silo ny amin’ny taranak’i Ely.
28
Ary ren’i Joaba izany. I Joaba anefa dia niandany tamin’i Adonia na dia tsy niandany tamin’i Absaloma aza. Dia nandositra nankao amin’ny tranolain’NY TOMPO izy ka nihazona ny tandroky ny alitara.
29
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona mpanjaka fa lasa nandositra ho ao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Joaba, koa indro, eo anilan’ny alitara izy. Dia nirahin’i Solomona i Benaia, zanak’i Joiada, ka nilazany hoe: Mandehana, vonoy izy.
30
Ary tonga tao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Benaia ka niteny tamin’i Joaba hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Dia nitondra teny tany amin’ny mpanjaka indray i Benaia hoe: Izany no lazain’i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31
Hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy ka vonoy izy dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko ny ra izay nalatsak’i Joaba tsy amin’antony.
32
Dia hatsingerin’NY TOMPO ho amin’ny lohany ihany ny rany, satria izy dia namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ny sabatra, dia i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’ny Israely, sy i Amasa, zanak’i Jetera, komandin’ny miaramilan’ny Joda, nefa tsy nahafantatra izany akory i Davida raiko.
33
Eny, hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy amin’ny lohan’ny taranany mandrakizay ny ran’izy roa lahy ireo. Fa amin’i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ny sezafiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’NY TOMPO.
34
Dia niakatra i Benaia, zanak’i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin’ny fonenany tany an-tany efitra izy.
35
Ary i Benaia, zanak’i Joiada, no notendren’ny mpanjaka ho solony ho komandin’ny miaramila; i Zadoka mpisorona kosa no notendren’ny mpanjaka ho solon’i Abiatara.
36
Ary nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Manaova trano eto Jerosalema ianao ka mitoera ao ary aza miala ao akory ianao na ho aiza na ho aiza.
37
Fa amin’izay andro andehananao mita ny lohasahan-driaka Kidrona dia aoka ho fantatrao marina fa hovonoina ho faty ianao; ny ranao dia ho amin’ny lohanao ihany.
38
Ary hoy i Simey tamin’ny mpanjaka: Tsara izany teny izany! Araka izay nolazain’ny mpanjaka tompoko teo no hataon’ny mpanomponao. Dia nitoetra ela tany Jerosalema i Simey.
39
Nony afaka telo taona mipaka dia nisy mpanompon’i Simey roa lahy nandositra ho any amin’i Akisy, zanak’i Maka mpanjakan’i Gata. Ary nisy nanambara tamin’i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40
Koa nanisy lasely ny borikiny i Simey ka nankany Gata ho any amin’i Akisy hitady ny mpanompony; dia niverina nitondra ny mpanompony avy tany Gata i Simey.
41
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona ny nialan’i Simey tao Jerosalema hankany Gata sy ny niverenany indray.
42
Dia nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’NY TOMPO va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’izay andro ivoahanao sy andehananao na ho aiza io na ho aiza dia hovonoina ho faty ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko izany!
43
Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’NY TOMPO sy ny didy izay nomeko anao?
44
Hoy koa ny mpanjaka tamin’i Simey: Ianao dia mahafantatra ny ratsy rehetra nataonao tamin’i Davida raiko, eny, tsaroan’ny fonao izany; koa hatsingerin’NY TOMPO amin’ny lohanao ny haratsianao.
45
Fa hotahina kosa i Solomona mpanjaka, ary ny sezafiandrianan’i Davida dia hampitoerina eo anatrehan’NY TOMPO mandrakizay.
46
Dia nandidy an’i Benaia, zanak’i Joiada, ny mpanjaka, dia lasa izy namely an’i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia tafaorina teo an-tanan’i Solomona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22