bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 16
1 Kings 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
1
Tonga tamin’i Jeho, zanak’i Hanany, ny tenin’NY TOMPO ny amin’i Basa hoe:
2
Satria nasandratro avy tamin’ny vovoka ianao ka notendreko ho mpitondra ny Israely oloko, nefa ianao kosa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama ihany ary nampanota ny Israely oloko ka nahatezitra Ahy tamin’ny fahotany,
3
dia indro, hofongorako i Basa sy ny taranany, ary ny taranakao dia hataoko tahaka ny taranak’i Jeroboama, zanak’i Nebata.
4
Koa izay tamingan’i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ny voromanidina.
5
Ny tantaran’i Basa sisa mbamin’izay nataony ary ny heriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
6
Nodimandry any amin’ny razany i Basa dia nalevina tao Tirza. I Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
7
I Jeho mpaminany, zanak’i Hanany, no nampitondraina ny tenin’NY TOMPO ny amin’i Basa sy ny taranany, satria nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany, ary tonga tahaka ny mpianakavin’i Jeroboama, satria namono ireo koa izy.
8
Tamin’ny taona fahenina amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjakan’ny Israely tao Tirza i Elaha, zanak’i Basa, ary nanjaka roa taona izy.
9
Nikomy taminy i Zimry mpanompony, lehiben’ny antsasaky ny kalesy fitondrany miady, raha izy nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’i Arza, lehiben’ny lapa tao Tirza.
10
Niditra tao i Zimry ka namely an’i Elaha ho faty tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
11
Nony vao nanjaka i Zimry ka nipetraka tamin’ny sezafiandrianany dia namono ny mpianakavin’i Basa rehetra izy ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ny havany, na tamin’ny sakaizany.
12
Toy izany no nandringanan’i Zimry ny mpianakavin’i Basa rehetra, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeho mpaminany ny amin’i Basa,
13
noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’i Elaha zanany koa, izay nataony, sady nampanotany ny Israely ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny.
14
Ny tantaran’i Elaha sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
15
Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zimry andro fito tao Tirza. Tamin’izay dia nanao fahirano an’i Gibetona, izay an’ny Filistina, ny olona,
16
koa ireo olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Nikomy i Zimry sady namono ny mpanjaka koa! Ary ny Israely rehetra tany an-tobiny dia nampanjaka an’i Omry, lehiben’ny miaramila, ho mpanjakan’ny Israely androtr’izay ihany.
17
Dia niakatra avy tao Gibetona i Omry sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nanao fahirano an’i Tirza.
18
Nony hitan’i Zimry fa azo ny tanàna dia lasa niditra tao amin’ny tilikambo-manda tao amin’ny lapa izy ary nodorany tamin’ny afo ny lapa ka may tao izy dia maty.
19
Izany dia noho ny fahotana izay nataony tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’NY TOMPO, tamin’ny nandehanany tamin’ny lalan’i Jeroboama sy tamin’ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Israely.
20
Ny tantaran’i Zimry sisa mbamin’ny fikomiany, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
21
Tamin’izany dia nizara roa ny lehilahin’ny Israely: Ny antsasany dia nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata, mba hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa dia nomba an’i Omry.
22
Ny olona izay nomba an’i Omry anefa no naharesy ireo olona izay nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata ka maty i Tibny ary i Omry no nanjaka.
23
Tamin’ny taona fahiraika amby telopolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjaka i Omry. Nanjaka roa amby folo taona tamin’ny Israely izy. Tao Tirza no nanjakany nandritra ny enin-taona.
24
Novidiny volafotsy talenta roa tamin’i Samera anefa ny havoanan’i Samaria ka nanorina tanàna teo an-tampon’ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria ny anaran’ny tanàna, araka ny anaran’i Samera, tompon’ny havoana.
25
Nanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO anefa i Omry, eny, nanao izay ratsy mihoatra noho izay rehetra talohany izy;
26
fa nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tamin’ny fahotana izay nampanotany ny Israely izy ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny.
27
Ny tantaran’i Omry sisa mbamin’izay nataony sy ny heriny izay nasehony, moa tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
28
Nodimandry any amin’ny razany i Omry, dia nalevina tao Samaria. I Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
29
Tonga mpanjakan’ny Israely i Ahaba zanak’i Omry, tamin’ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, ary nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria nandritra ny roa amby roapolo taona izy.
30
Nanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO mihoatra noho izay rehetra talohany i Ahaba, zanak’i Omry.
31
Fa noheveriny ho tsy dia naninona ny miroso amin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ka nampakatra an’i Jezebela, zanakavavin’i Etibaala, mpanjakan’ny Sidoniana, ho vadiny izy, ary nandeha nanompo ny Baala ka niankohoka teo anatrehany.
32
Nanangana alitara ho an’ny Baala tao amin’ny trano naoriny manokana ho an’izany tao Samaria izy.
33
Nanao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa i Ahaba ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mihoatra noho ny mpanjakan’ny Israely rehetra izay talohany.
34
Tamin’ny andron’i Ahaba no nanorenan’i Hiela betelita an’i Jeriko. Ny ain’i Abirama lahimatoany no saran’ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’i Segoba faralahiny no saran’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Josoa, zanak’i Nona.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22