bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 4
1 Kings 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
1
Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Solomona mpanjaka.
2
Ireto no mpitondra tao aminy: I Azaria, zanak’i Zadoka, no mpisorona;
3
i Elihorefa sy i Ahia, zanak’i Sisà, no mpitantsoratra; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
4
i Benaia, zanak’i Joiada, no komandin’ny miaramila; i Zadoka sy i Abiatara no mpisorona;
5
i Azaria, zanak’i Natana, no lehiben’ny olona voatendry; i Zaboda, zanak’i Natana, namana akaikin’ny mpanjaka;
6
i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; i Adonirama, zanak’i Abda, no lehiben’ny mpanao fanompoana.
7
Ary nanendry mpifehy roa amby folo lahy ho amin’ny Israely rehetra i Solomona hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ny taona iray izy ireo.
8
Ireto avy ny anarany: I Beny-Hora no tany amin’ny tany be havoana any Efraima;
9
i Beny-Dekera no tao Makaza sy tao Salbima sy Bety-Semesy ary Elona-Bety-Hanana;
10
i Beny-Heseda no tao Arobota; i Soko sy ny tany Hefera manontolo no azy;
11
i Beny-Abinadaba no tao amin’ny havoanan’i Dora rehetra. I Tafata, zanakavavin’i Solomona, no vadiny;
12
i Bana, zanak’i Ahiloda; azy kosa i Tanàka sy Megido ary Bety-Sana rehetra, izay anilan’i Zaretana, ambanin’i Jezirela, hatrany Bety-Sana ka hatrany Abela-Mehola, dia hatrany ankoatra an’i Jokneama;
13
i Beny-Gebera no tao Ramota-Gileada; ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay izay an’i Jaira, zanak’i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tanin’i Argoba, izay any Basana, dia tanàna enimpolo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
14
i Ahinadaba, zanak’i Ido, no tany Mahanaima;
15
i Ahimaza no tany Naftaly. Izy kosa dia nanambady an’i Basemata, zanakavavin’i Solomona;
16
i Bana, zanak’i Hosay, no tany Asera sy Alota;
17
i Josafata, zanak’i Paroa, no tany Isakara;
18
i Simey, zanak’i Ela, no tany Benjamina;
19
i Gebera, zanak’i Orỳ, no tany amin’ny tany Gileada, tanin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, sy i Oga, mpanjakan’i Basana; ary izy ihany no mpifehy voatendry ho amin’izany tany izany.
20
Ny Joda sy ny Israely moa dia tena maro ka tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony. Nihinana sy nisotro ny olona sady nifaly.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22