bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Kings 12
1 Kings 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 13 →
1
Ary i Rehoboama dia nankany Sekema satria tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy.
2
Mbola tany Ejipta i Jeroboama, zanak’i Nebata, raha nandre izany; tany Ejipta mantsy no nalehany tamin’izy nandositra an’i Solomona mpanjaka ka nonina tany izy.
3
Nandefa iraka haka azy ny olona, dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ka niteny tamin’i Rehoboama hoe:
4
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano ankehitriny ny fanompoana mafy tamin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5
Nefa hoy izy tamin’izy ireo: Mandehana aloha, fa raha afaka hateloana dia miverena atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
6
Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy: Ahoana no hevitra omenareo mba havaly ny vahoaka?
7
Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon’ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8
Nefa tsy nahoan’i Rehoboama akory ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy fa naka saina tamin’ireo tanora izay indray nihira taminy sady nanompo azy izy
9
ka niteny tamin’ireo hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon’ny rainao taminay?
10
Hoy ny navalin’ireo tanora indray nihira taminy: Raha niteny taminao ny vahoaka hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Dia izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko.
11
Koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo! Kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
12
Ary nankany amin’i Rehoboama tamin’ny andro fahatelo i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, araka ilay nolazain’ny mpanjaka hoe: Miverena atỳ amiko indray amin’ny andro fahatelo.
13
Ary nanao teny mafy tamin’ny olona ny mpanjaka fa tsy niraharaha ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy
14
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo! Kotopia no namaizan’ny raiko anareo fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo!
15
Tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; avy tamin’NY TOMPO anefa izany fandehan-javatra izany mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata.
16
Nony hitan’ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka dia hoy ny vahoaka tamin’ny mpanjaka: Inona moa no anjaranay amin’i Davida? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay! Samia mody any an-dainy avy, ry Israely e! Ankehitriny, jereo ny tranonao, ry Davida ô! Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Israely.
17
Fa ny Zanak’Israely izay nonina tany amin’ireo tanànan’i Joda ihany no nanjakan’i Rehoboama.
18
Ary naniraka an’i Adorama, lehiben’ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa ny Israely rehetra dia nitora-bato azy ka maty izy. Dia niezaka nankeo amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka ka nandositra ho any Jerosalema.
19
Koa nikomy tamin’ny taranak’i Davida ny Israely mandraka androany.
20
Rehefa ren’ny Israely rehetra fa tafaverina indray i Jeroboama dia nandefa iraka haka azy ho ao amin’ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ny Israely rehetra. Tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida afa-tsy ny fokon’i Joda irery ihany.
21
Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda rehetra mbamin’ny fokon’i Benjamina, dia miaramila voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin’ny taranak’Israely mba hampody ny fanjakana indray ho amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona.
22
Kanjo tonga tamin’i Semaia, lehilahin’Andriamanitra, kosa, ny tenin’Andriamanitra hoe:
23
Mitenena amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona, mpanjakan’i Joda, sy amin’ny taranak’i Joda sy i Benjamina rehetra ary amin’ny vahoaka sisa hoe:
24
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny Zanak’Israely rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy Amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody araka ny tenin’NY TOMPO.
25
Ary nanamboatra an’i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima i Jeroboama ka nonina tao; rehefa nivoaka avy tao izy dia nanamboatra an’i Penoela koa.
26
Ary i Jeroboama dia niteny anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hiverina amin’ny taranak’i Davida ihany;
27
satria, raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema ny vahoaka dia hiverina amin’ny tompony indray ny fony, dia amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda, koa hamono ahy izy ireo ka hiverina any amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda.
28
Dia nila hevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; sady hoy izy tamin’ny olona: Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Israely ô, indreo ny andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta!
29
Ny iray dia napetrany tao Betela, fa ny iray hafa kosa tao Dana.
30
Fahotana anefa izany zavatra izany, satria ny olona nandeha teo anatrehan’ny iray tamin’ireo, hatrany Dana.
31
Ary nanorina trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona izy sady nanendry olona avy tao amin’ny vahoaka ho mpisorona, nefa ireo dia tsy avy amin’ny taranak’i Levy akory.
32
Nanendry andro firavoravoana tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ny Joda ihany koa i Jeroboama ka nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo ombilahy kely izay nataony izy. Natsangany tao Betela ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay notendreny.
33
Dia nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany. Nanao andro firavoravoana ho an’ny Zanak’Israely izy ka sady nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara no nandoro ditin-kazo manitra.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22