bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 11
2 Chronicles 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
1
Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.
2
Kanjo tonga tamin’i Semaiasa olon’Andriamanitra, ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
3
«Mitenena amin-dRôbôama, zanak’i Salômôna, mpanjakan’i Jodà, sy amin’i Israely rehetra eo amin’i Jodà sy i Benjamina ka lazao hoe:
4
Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao». Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin’i Jerôbôama.
5
Nitoetra tao Jerosalema i Rôbôama; ary nanorina tanàna mimanda tamin’i Jodà.
6
Izao no naoriny: i Betlehema, i Etama, i Tekôe,
7
i Betsora, i Sôkô, i Odolama,
8
i Geta, i Maresà, i Zifa,
9
i Adôrama, i Lakisa, i Azekà,
10
i Saraà, i Aialôna ary i Hebrôna; tanàna mimanda ao amin’i Jodà sy i Benjamina ireo.
11
Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitahirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy.
12
Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. I Jodà sy i Benjamina dia azy.
13
Ny mpisorona sy Levita izay teo amin’i Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRôbôama, avy any amin’ny faritaniny rehetra avy.
14
Fa nandalo ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak’i Levì, ka nankany Jodà sy i Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin’i Jerôbôama tamin’ny raharaham-pisoronana fankalazana an’i Iaveh,
15
fa nanangana mpisorona izy io ho amin’ny fitoerana avo sy ho an’ny osilahy, ary ho an’ny zanak’omby nataony.
16
Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin’ny fo tokoa hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, avy amin’ny firenen’i Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
17
Nankahery ny fanjakan’i Jodà izy, tamin’izany, ka nampiorina tsara an-dRôbôama zanak’i Salômôna, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Salômôna izy ireo, telo taona.
18
Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,
19
ka nitera-dahy taminy izy, dia i Jehosa, i Somorià, ary i Zoma.
20
Manaraka an’io dia mbola naka an’i Maakà zanaka vavin’i Absalôma izy, ka niteraka an’i Abià, i Etaia, i Zizà ary i Salômita, taminy.
21
I Maakà zanaka vavin’i Absalôma no tian-dRôbôama indrindra, tamin’ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady 18 sy vadintsindrano 60 izy; ary niteraka lahy 28 sy vavy 60.
22
I Abià, zanaka lahin’i Maakà no nataon-dRôbôama loha laharana, ho filohan’ny rahalahiny, fa io no nokasainy hampanjakaina.
23
Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36