bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 2
2 Chronicles 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
1
Nanisa olona 70.000 i Salômôna hitondra ny entana, 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3.600 hitandrina an’ireo.
2
Naniraka tany amin’i Hirama mpanjakan’i Tira i Salômôna, hilaza hoe: Ataovy amiko ny nataon’i Davida raiko, izay nampanateranao sedera hanaovany trano hipetrahany.
3
Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.
4
Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
5
Fa iza aza moa no hahay manao trano ho Azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany?
6
Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.
7
Ampanatero hazo sedera sy sipresa ary santala avy any Libàna aho; satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libàna ny mpanomponao. Ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao,
8
mba hamonona hazo betsaka ho ahy, fa ho lehibe sy tsara higagàna ny trano hataoko.
9
Ary indro fa izao no homeko ho sakafon’ny mpanomponao mpikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha 20.000 kora, orja 20.000 kora, divay 20.000 bata, diloilo 20.000 bata.
10
Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»
11
Ary hoy i Hirama: Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an’i Iaveh ary trano-mpanjaka ho an’ny tenany.
12
Koa ankehitriny dia indro irahiko ho atỳ aminao Ingahy Hirama, lehilahy mahay zavatra sady manan-tsaina,
13
zanaky ny vehivavy taranak’i Dàna sy ny lehilahy Tirianina, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin’ireo olo-mahay zavatra atỳ aminao, mbamin’ireo olo-mahay zavatra tamin’i Davida tompoko rainao.
14
Ary ankehitriny ny varimbazaha sy ny orja, mbamin’ny diloilo aman-divay, voalazan’ny tompoko, dia aoka hampitondrainy ny mpanompony.
15
«Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin’ny ranomasina hatrany Jôpe, dia ianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema.»
16
Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.
17
Ka nalainy tamin’ireo ny 70.000 hitondra entana, ny 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny 3.600 nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36