bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 33
2 Chronicles 33
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 34 →
1
Roa ambin’ny folo taona i Manase fony vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema.
2
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nanaraka ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
3
Naoriny indray ny fitoerana avo noravan’i Ezekiasa rainy; nanangana ôtely ho an’ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy.
4
Nanorina ôtely teo an-tranon’i Iaveh izy, izay nolazain’i Iaveh hoe: «Ho ao Jerosalema mandrakizay ny Anarako.»
5
Nanorina ôtely teo amin’ny kianja roa an-tranon’i Iaveh izy, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.
6
Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.
7
Ny sarin’ny sampy nataony, dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Eto amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin’ny fokon’i Israely rehetra no tiako hametrahana ny Anarako mandrakizay.
8
Tsy havoakako hiala amin’ny tany notendreko ho an’ny razanareo ny tongotr’i Israely, raha mbola tandremany ihany koa ny manaraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin’ny alalan’i Môizy.»
9
Ka dia i Manase no tonga nampania an’i Jodà mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan’i Iaveh, teo anoloan’ny zanak’i Israely.
10
Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany i Iaveh; nefa tsy nasian’izy ireo raharaha akory izany.
11
Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hamely azy ireo ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asiria, nosamborin’ireo i Manase tamin’ny masom-by, nogiazany tamin’ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilôna.
12
Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an’i Iaveh Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany.
13
Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.
14
Tatỳ aorian’izany, nanao manda teo ivelan’ny tanànan’i Davida izy, teo andrefana mankany Gihôna amin’ny lohasaha hatrany amin’ny vavahadin-Kazandrano hanodidina an’i Ofela, sady nasondrony avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà.
15
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.
16
Dia naoriny indray ny ôtelin’i Iaveh, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an’i Jodà hanompo an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
17
Mbola nanao sorona teny amin’ny fitoerana avo ihany ny vahoaka, nefa tsy ho an’iza fa ho an’i Iaveh Andriamaniny.
18
Ny asan’i Manase sisa, ny vavaka nataony tamin’ny Andriamaniny, ny tenin’ireo mpahita niteny tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia efa samy voasoratra ao amin’ny asan’ny mpanjakan’i Israely.
19
Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.
20
Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tranony. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.
21
Ary 22 taona i Amôna fony vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tao Jerosalema.
22
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, nanao sorona tamin’ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, i Amôna, ary nanompo an’ireny.
23
Tsy mba nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza i Amôna.
24
Niray tetika hamely azy ny mpanompony, dia namono azy ho faty tao an-tranony.
25
Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36