bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 5
2 Chronicles 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
1
Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
2
Tamin’izay dia novorin’i Salômôna tany Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lohan’ny isam-poko rehetra, ary ny loham-pianakavian’ny zanak’i Israely, hamindra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.
3
Koa nivory teo amin’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’i Israely hanao ny fety, izay natao tamin’ny volana fahafito.
4
Nony tonga ny loholon’i Israely rehetra, dia nentin’ny taranak’i Levì ny fiara.
5
Nafindrany ny fiara mbamin’ny trano lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra tao amin’ny lay, ka ny mpisorona taranak’i Levì no nitondra azy.
6
I Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia samy teo anoloan’ny fiara avokoa. Namono omby sy ondry natao sorona izy ireo ary tsy azo isaina na tombanana fa maro loatra.
7
Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
8
Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny.
9
Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan’ny fitoerana masina lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak’androany ny fiara.
10
Tao anatin’ny fiara, dia tsy nisy afa-tsy ny takelaka roa napetrak’i Môizy tao, tany Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.
11
Tamin’ny fotoana nivoahan’ny mpisorona avy tao amin’ny fitoerana masina, - fa ny mpisorona rehetra nanatrika teo dia samy nanamasina ny tenany avokoa fa tsy voatana ny filaharan’ny isan-tokony,
12
ny Levita mpihira rehetra, i Asafa, i Hemàna, i Iditona, mbamin’ny zanany aman-drahalahiny, samy nitafy rongony madinika, dia nitsangana teo atsinanan’ny ôtely, nitondra kipantsona sy valiha ary harpa, ary teo anilany ny mpisorona 120, samy nitsoka trômpetra;
13
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.
14
Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon’Andriamanitra ny voninahitr’i Iaveh.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36