bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 4
2 Chronicles 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
1
Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.
2
Nanao ranomasina anìdina izy: folo hakiho ny haben’ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny haavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.
3
Nisy sarin’omby folo isaky ny iray hakiho manodidina azy, teo ambanin’ny molony, voalahatra roa an-dalana izy ka nahodidina ity ranomasina hatrany. Ireo omby ireo, dia indray natao anìdina tamin’ity ranomasina.
4
Nipetraka tambonin’ny omby 12 io ranomasina io; ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana; ny ranomasina nitaingina teo amboniny, ary ny tapa-batany aoriana rehetra, dia tao ampovoany.
5
Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.
6
Nanao tavin-drano folo izy, ho fidiovana; ny dimy nataony teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia; ireo natao fanasana ny zavatra hatolotra ho sorona dorana. Ny ranomasina natao fidiovan’ny mpisorona.
7
Nanao ny fanaovan-jiro volamena folo, araka ny voadidy momba azy izy, ka napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia.
8
Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.
9
Nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin’ny vavahady izy.
10
Napetrany teo amin’ny havanana, eo amin’ny atsinanana somary atsimo ilay ranomasina.
11
Ary i Hirama nanao ny vilany, ny sotron-davenona sy ny kôpy. Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:
12
ny andry roa, ny boriboriny mbamin’ny loha andry, izay eo an-tampon’ny andry, ny harato roa manarona ny boriboriny roa amin’ny loha andry, teo an-tampon’ny andry,
13
ny voan’ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin’ny loha andry eo ambonin’ny andry.
14
Nanao ny tongotra, mbamin’ny tavin-drano tambonin’ny tongotra izy,
15
ary ny ranomasina, mbamin’ireo omby 12 tambaniny,
16
ny vilany, ny sotron-davenona, ny fitrebika. Nanao ireo fanaka rehetra ireo Ingahy Hirama ho an’i Salômôna mpanjaka, ho an’ny tranon’i Iaveh: varahina manganohano ireo zavatra ireo.
17
Tao amin’ny tany lemak’i Jordany amin’ny tany be tanimanga, anelanelan’i Sokôta sy i Saredà, no nampanaovan’ny mpanjaka anìdina azy.
18
Be dia be ireo fanaka rehetra nataon’i Salômôna ireo, ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan’ny varahina.
19
Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.
20
Ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny volamena madio, hampirehetina eo anoloan’ny fitoerana masina, araka ny lalàna,
21
ny voniny, ny lalampiny, ny hetin-jiro volamena, volamena madio indrindra,
22
ny antsy, ny kôpy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin’ny trano, ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran’ny trano ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36