bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 28
2 Chronicles 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
1
Ary 20 taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany teo Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy izy,
2
fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely, ary nanao sarin-javatra anidina ho an’ireo Baala aza.
3
Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
4
Nanatitra sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo sy ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny izy.
5
Natolotr’i Iaveh Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria izy, ka noresen’ny Sirianina, dia nahazoany sambo-belona maro be nentiny nankany Damasa. Natolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Israely koa izy, ka nasiany sy nataony hoto mihitsy.
6
Indray andro monja dia nisy 120.000, samy lehilahy mahery avokoa, no matin’i Fasea zana-dRomeliasa, tamin’i Jodà, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
7
Novonoin’i Zekri mpiadin’i Efraima, i Maasiasa zanaky ny mpanjaka, sy i Ezrikà lehiben’ny tao an-tranon’ny mpanjaka, ary i Elkanà, faharoa manarakaraka ny mpanjaka.
8
Nisy 200.000 ny vehivavy sy zazalahy aman-jazavavy azon’ny zanak’i Israely sambo-belona tamin’ireo rahalahiny, sady be dia be koa ny babo nalainy tamin’ireo, ary ny babo nentiny nankany Samaria.
9
Nisy mpaminanin’i Iaveh kosa tao atao hoe Obeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: «Noho ny hatezeran’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo tamin’i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tananareo, ka efa namono azy tamin-karomotana manakatra ny lanitra ianareo.
10
Ary ankehitriny mbola kasainareo hampanekena ho andevo lahinareo sy andevo vavinareo koa ny taranak’i Jodà sy i Jerosalema! Fa ianareo kosa, moa tsy mba manan-keloka amin’i Iaveh Andriamanitrareo va ianareo?
11
Koa ankehitriny mihainoa ahy ianareo, ary alefaso ireo babo nalainareo tamin’ny rahalahinareo ireo, fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh.»
12
Dia nitsangana ny lehibe sasany amin’ny taranak’i Efraima, i Azariasa zanak’i Johanàna, i Barakiasa zanak’i Mosolamota, i Ezekiasa zanak’i Seloma, ary i Amasà zanak’i Adalì, ka nanohitra an’ireo avy any an-tafika,
13
nanao hoe: «Tsy hampiditra ireo babo ireo eto ianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin’i Israely no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika ianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.»
14
Dia nalefan’ny miaramila teo anatrehan’ireo lehibe sy ny fiangonana rehetra, ireto sambo-belona sy babo nentiny,
15
ary nitsangana ireo lehilahy efa voatonona anarana teo, nandray ny sambo-belona, ka notafiany aloha tamin’ny zavatra babo izay tsy nitafy, nomeny akanjo aman-kiraro, vao nampihinaniny sy nampisotroiny sady nohosorany izy ireo, dia nampitaingeniny ampondra izay rehetra efa reraka mafy loatra, ka nateriny tany Jerikao, tanànan’ny rofia izy ireo, ho any amin’ny rahalahiny. Izy kosa niverina tao Samaria.
16
Tamin’izany andro izany i Akaza mpanjaka naniraka olona hangata-bonjy amin’ireo mpanjakan’i Asiria,
17
fa tonga indray ny Edômita, nandresy an’i Jodà sy namabo azy.
18
Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany.
19
Satria naetrin’i Iaveh i Jodà, noho ny amin’i Akaza mpanjakan’i Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin’i Jodà sy nanao heloka tamin’i Iaveh.
20
Tonga namely azy i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria, nampiseho halozana taminy, fa tsy nampahery azy.
21
Nalain’i Akaza ny zavatra tao an-tranon’i Iaveh sy ny tao an-tranon’ny mpanjaka mbamin’ny lehibe, ka nanao fanatitra ho an’ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy nahazo fanampiana tamin’izany izy.
22
Na tao anatin’izany fahoriana nanjò azy izany aza, mbola nanohy ny fahotana tamin’i Iaveh ihany izy Akaza mpanjaka,
23
fa nanao sorona tamin’ny andriamanitr’i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: «Ny andriamanitr’ireo mpanjakan’i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy.» Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy i Israely rehetra.
24
Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.
25
Tany amin’ny tanànan’i Jodà no nasiany fitoerana avo tsirairay avy, hanaterany zava-manitra ho an’ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.
26
Ny asany sisa mbamin’ny lalany rehetra, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely izany.
27
Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36