bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 32
2 Chronicles 32
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 33 →
1
Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.
2
Nony hitan’i Ezekiasa fa tonga i Senakeriba sady nitodika an’i Jerosalema hamely azy,
3
dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.
4
Dia vahoaka be no nivory sy nanarona ny loharano rehetra mbamin’ilay renirano mamaky eo afovoan’ny tany, nanao hoe: «Ahoana no hahitan’ireo mpanjakan’i Asiria tonga atỳ ireo, rano betsaka?»
5
Nahazo hery i Ezekiasa, ka namboariny avokoa ny manda rava, nohavaoziny ny tilikambo, naoriny ny manda hafa teo ivelany, nohamafisiny i Melô tao an-tanànan’i Davida, ary nampanao fiadiana aman’ampinga betsaka izy.
6
Nanendry mpifehy miaramila hifehy ny vahoaka izy, dia novoriny ho eo aminy teo an-kalalahana akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ireo, ka nomeny teny manetsika ny fo hoe:
7
«Matanjaha sy mahereza, fa aza matahotra na manam-badi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ireo vahoaka maro be momba azy.
8
Sandry nofo no momba azy, fa i Iaveh Andriamanitsika kosa no momba antsika, hanampy antsika sy hitarika ny fanahintsika.» Natoky ny tenin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny vahoaka.
9
Raha efa izany, naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, - fa izy mbamin’ny miaramilany rehetra izany dia mbola teo anoloan’i Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ireo avy amin’i Jodà rehetra tao Jerosalema hilaza aminy hoe:
10
«Izao no lazain’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia mihiboka atao fahirano ato Jerosalema ka tra-pahoriana ianareo?
11
Tsy famitahan’i Ezekiasa anareo va mba hanolorany anareo ho faty mosary sy hetaheta, no nilazany hoe: I Iaveh Andriamanitsika no hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria?
12
Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.
13
Ary tsy mba fantatrareo va ny nataonay, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany é?
14
Moa nahavonjy tokoa ny taniny tamin’ny tanako va, ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany? Iza amin’ny andriamanitr’ireo firenena naringan’ny razako no nahavonjy ny vahoaka tamin’ny tanako, no dia hahavonjy anareo amin’ny tanako ny Andriamanitrareo?
15
Koa ankehitriny, aza dia mety hambosin’i Ezekiasa na hofitahiny ianareo! Ary aza matoky azy. Fa ny andriamanitry ny firenena sy ny fanjakana hafa rehetra tsy nisy nahavonjy ny vahoakany tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako, ka mainka tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izay Andriamanitrareo.»
16
Ny mpanompon’i Senakeriba mbola nanao teny faniratsirana an’i Iaveh Andriamanitra sy an’i Ezekiasa mpanompony.
17
Izy koa nanoratra taratasy nanalany baraka an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy naniratsirany azy; izao no teniny: «Tahaka ny tsy nahavonjen’ireo andriamanitry ny firenena amin’ny tany ny vahoakany tamin’ny tanako, no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Ezekiasa ny vahoakany, amin’ny tanako koa.»
18
Tamim-peo avo sy amin’ny fiteny Jody, no niantsoantsoan’ireo mpanompony tamin’ny vahoaka tao Jerosalema izay teny ambony manda, mba hampitahotra sy hampivadi-po an’ireo, hahazoany ny tanàna.
19
Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!
20
Noho izany dia raikitra nivavaka i Ezekiasa mpanjaka sy i Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa, ka nitaraina tamin’ny lanitra izy.
21
Dia naniraka Anjely anankiray i Iaveh ary naringan’io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin’ny lehibe teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody any amin’ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin’izay naloaky ny kibony no namono azy tamin’ny sabatra.
22
Ary namonjy an’i Ezekiasa sy ny mponina tao Jerosalema, tamin’ny tanan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, sy tamin’ny fahavalony rehetra, i Iaveh, nitari-dalana azy ireo, na ho aiza na ho aiza.
23
Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.
24
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh, dia niteny taminy i Iaveh sy nanao fahagagana ho azy.
25
Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.
26
Dia nanetry tena i Ezekiasa noho ilay niavonavonan’ny fony, dia izy mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka tsy niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy ireo, nandritra ny andro niainan’i Ezekiasa.
27
Nanan-karena amam-boninahitra be i Ezekiasa. Nahatonga rakitra miavosa izy, dia volafotsy, volamena, vato soa, zava-manitra, ampinga ary zavatra mahate hanana isan-karazany.
28
Nanao trano fitahirizam-bokatra izy, na varimbazaha, na divay, na diloilo, tranom-pihinanam-biby ho an’ny biby fiompy isan-karazany, ary nanana biby fiompy ao an-tranom-biby.
29
Nanao tanàna maro ho azy izy, ary nanana andiany maro izy, tamin’ny omby sy ny ondry, fa nomen’Andriamanitra harena be dia be.
30
I Ezekiasa io ihany koa, no nanarona ny fivoahan’ny rano any ambony tamin’ny ranon’i Gihôna, ka nampandeha azy hidina mankany andrefan’ny tanànan’i Davida. Nahomby i Ezekiasa tamin’izay rehetra nataony.
31
Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.
32
Ny asan’i Ezekiasa sisa, mbamin’ny asany momba ny fivavahana, dia efa voasoratra ao amin’ny Fahitan’i Izaia mpaminany zanak’i Amôsa sy ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.
33
Dia nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa, ka nalevina teo amin’ny fitoerana ambony indrindra, amin’ny fasan’ny taranak’i Davida; ary tamin’ny nahafatesany, dia niara-nanome voninahitra azy i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema. I Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36