bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 16
2 Chronicles 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 17 →
1
Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.
2
Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:
3
«Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin’ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary ianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany amiko.»
4
Nohenoin’i Ben-Hadada, i Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan’i Israely ny filohan’ny tafiny, dia noreseny i Ahiôna sy i Dana ary i Abela-Maima mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra teo amin’i Neftalì.
5
Nony nandre izany i Baasà dia natsahany ny fanorenana an’i Ramà, ary najanony ny asany.
6
Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.
7
Tamin’izany andro izany no nahatongavan’i Hananì mpahita, tao amin’i Asà, mpanjakan’i Jodà, nilaza taminy hoe: «Noho ianao niankina tamin’ny mpanjakan’i Siria, fa tsy tamin’i Iaveh Andriamanitrao, noho izany dia afa-mandositra ny tananao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.
8
Moa ny Etiôpianina sy ny Libianina va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho ianao niankina tamin’i Iaveh dia natolony teo an-tananao ireny.
9
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
10
Tezitra tamin’ilay mpahita i Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin’io izy, noho ny tenin’io. Nisy olona sasany tamin’ny vahoaka koa nampahorin’i Asà tamin’izany andro izany indrindra.
11
Ary indro fa ny asan’i Asà, na ny voalohany na ny farany dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.
12
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy i Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin’izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.
13
Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà; ary tamin’ny taona faha-41 nanjakany no nahafatesany.
14
Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36