bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 12
2 Chronicles 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
1
Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.
2
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRôbôama, dia niakatra i Sesàka mpanjakan’i Ejipta hamely an’i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin’i Iaveh.
3
Nitondra kalesy 1.200 mpitaingin-tsoavaly 60.000 izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libianina, ny Sokianina, ny Etiôpianina.
4
Afany ny tanàna mimanda tamin’i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy.
5
Dia tonga i Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRôbôama sy ny filohan’i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Efa nahafoy Ahy ianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan’i Sesàka.»
6
Ary nanetry tena ireo filohan’i Israely sy ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Marina i Iaveh!»
7
Nony hitan’i Iaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin’i Semaiasa ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy Aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin’i Jerosalema, amin’ny tanan’i Sesàka Aho.
8
Kanefa hanompo an’io ihany izy ireo, mba samy ho fantany na ny manompo Ahy na ny manompo ny fanjakan’ny tany.»
9
Dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon’i Salômôna.
10
Ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireo, dia napetrany teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay niambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.
11
Ka isaky ny nankao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia tamy ny mpihazakazaka mitondra ireo, vao mamerina azy ho ao an’efitranon’ny mpihazakazaka indray.
12
Noho i Rôbôama nanetry tena, dia niala taminy ny fahatezeran’i Iaveh, ka tsy dia tena rava izy, ka mbola nisy zavatra tsara ihany tamin’i Jôdà.
13
Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka. 41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny.
14
Nanao ny ratsy izy, satria tsy nandraikitra ny fony amin’ny fitadiavana an’i Iaveh.
15
Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.
16
Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Abià zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36