bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 22
2 Chronicles 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
1
I Okoziasa zanak’i Jôrama faralahy no nampanjakain’ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin’ny mpitoha ady niara-tonga tamin’ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà.
2
Ary 42 taona izy, fony vao nanjaka; ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Atalia zanak’i Amrỳ.
3
Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Akaba koa izy, fa ireniny no mpanoro hevitra azy hampanota azy.
4
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, toy ny taranak’i Akaba, izay mpanoro hevitra azy nahavery azy, tatỳ aorian’ny nahafatesan-drainy.
5
Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta-Galaada. Nandratra an’i Jôrama ny Sirianina.
6
Dia niverina tao Jezrahela i Jôrama hotsaboina amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy tao Ramà, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ary i Azariasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba fa narary izy.
7
Avy amin’Andriamanitra no nahitan’i Okoziasa loza, tamin’izy nankany amin’i Jôrama. Fa nony tonga izy dia niara-nivoaka tamin’i Jôrama ho any amin’i Jehò zanak’i Namsì, izay efa nohosoran’i Iaveh handringana ny taranak’i Akaba.
8
Tamin’i Jehò nanefa ny fanamelohany ny taranak’i Akaba dia hitany ireo lehibe tamin’i Jodà mbamin’ireo zana-drahalahin’i Okoziasa izay nanao raharaha tao amin’i Okoziasa ka nefainy ireo.
9
Notadiaviny i Okoziasa ary nisy nisambotra azy tany Samaria izay niereny, dia nitondra azy ho eo amin’i Jehò, ka novonoina izy. Raha efa izany dia nalevina izy, fa hoy izy ireo: «Zanak’i Jôsafata izay nitady an’i Iaveh tamin’ny fony rehetra izy.» Dia tsy nisy olona azo nampanjakaina intsony, tamin’ny terak’i Okoziasa.
10
Nony hitan’i Atalia, renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka namono ny zanak’andriana rehetra amin’ny taranak’i Jodà.
11
I Jôasa zanak’i Okoziasa anefa, nalain’i Jôsabeta zanaka vavin’ny mpanjaka, nesoriny avy tamin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin’izay, ka napetrany tao an’efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan’i Jôsabeta zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, vadin’i Jôiadà mpisorona, anabavin’i Okoziasa, an’i Jôasa, ka tsy nahitan’i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy.
12
Niara-niery taminy enin-taona, tao an-tranon’i Iaveh izy. Ary i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36