bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 19
2 Chronicles 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
1
Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema i Jôsafata mpanjakan’i Jodà,
2
dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.
3
Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»
4
Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, dia nampivereniny amin’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
5
Nanendry mpitsara amin’ny tany izy, amin’ny tanàna mimanda, amin’i Jodà, isan-tanàna.
6
Ka nilaza tamin’ny mpitsara izy nanao hoe: «Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an’olombelona no hitsaranareo, fa ho an’i Iaveh; izy no homba anareo rehefa mitsara ianareo.
7
Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»
8
Tao Jerosalema koa, rehefa tafaverina tao amin’io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin’i Israely, i Jôsafata, ho amin’ny fitsaràn’i Iaveh sy ny adin’olona.
9
Ka nanome didy izy nanao hoe: «Hataonareo amim-pahatahorana an’i Iaveh izany sy amim-pahamarinana ary amin’ny fo mahitsy.
10
Amin’ny ady rehetra entin’ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin’ny momba ny fanavahana ny vonoana olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin’i Iaveh sy tsy hiharan’ny fahatezerany aminareo sy amin’ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
11
Indro i Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin’ny raharahan’i Iaveh rehetra; ary i Zabadiasa zanak’i Ismaely mpanapaka ny taranak’i Jodà, amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manamboninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie i Iaveh.»
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36