bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 29
2 Chronicles 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 30 →
1
25 taona i Ezekiasa fony vao nanjaka, ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià zanak’i Zakariasa.
2
Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh toy izay rehetra nataon’i Davida rainy izy.
3
Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.
4
Nampiantsoiny ny mpisorona sy ny Levita, dia novoriny teo amin’ny kianja atsinanana,
5
dia nilazany hoe: «Mihainoa ahy, ianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin’ny fitoerana masina ny loto rehetra.
6
Fa nanota ny razantsika, nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitsika izy, nahafoy Azy izy, nihodina tsy hanatrika ny fonenan’i Iaveh izy, ary niamboho Azy izy.
7
Narindriny aza ny varavaran’ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’Israely teo amin’ny fitoerana masina.
8
Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.
9
Ary noho izany, dia indro fa lavon’ny sabatra ny razantsika, lasan-ko babo ny zanaka lahintsika sy ny zanaka vavintsika mbamin’ny vadintsika.
10
Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.
11
Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony ianareo, fa ianareo no efa voafidin’i Iaveh hanoloana Azy, hanompo Azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho Azy.»
12
Dia nitsangana ny Levita: i Mahata zanak’i Amasaia, i Joela zanak’i Azariasa, tamin’ny taranak’i Kaatita; tamin’ny taranaky ny Merarita, i Kisa zanak’i Abdỳ, i Azariasa zanak’i Jalaleela; tamin’ny Gersônata, i Jôah zanak’i Zemà, i Edena zanak’i Jôah;
13
tamin’ny taranak’i Elisafàna: i Samrỳ sy i Jahiela; tamin’ny taranak’i Asafa: i Zakariasa sy i Mataniasa;
14
tamin’ny taranak’i Hemàna: i Jahiela sy i Semeià; ary tamin’ny taranak’i Iditona i Semeiàsa sy i Oziela.
15
Novorin’izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon’i Iaveh, araka ny didin’ny mpanjaka, sy noho ny tenin’i Iaveh.
16
Niditra tao anatin’ny tranon’i Iaveh ny mpisorona hanadio azy, navoakany avokoa ny loto hitany tao an-tempolin’i Iaveh ho amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia noraisin’ny Levita hoentiny any an-dohasahan’i Sedrôna.
17
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin’ny andro fahavalon’ny volana, niditra teo amin’ny lavarangana fidiran’i Iaveh izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon’i Iaveh; ary tamin’ny andro 16-n’ny volana voalohany dia vitany.
18
Dia nankao amin’i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: «Efa voadionay avokoa ny tranon’i Iaveh, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy.
19
Ary ny fanaka rehetra novetavetain’i Akaza mpanjaka, tamin’ny andro nanjakany, tamin’ny fotoana nanotany, dia efa samy voamboatranay sy voadionay, ka eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izany.»
20
Koa nifoha maraina koa i Ezekiasa mpanjaka, ka namory ny lehiben’ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh.
21
Ny nateriny dia ombalahy fito, zanak’ondry fito, hatao sorona noho ny ota, ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Jodà. Nasain’ny mpanjaka natolotry ny mpisorona taranak’i Aarôna teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh, ireo.
22
Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin’ny mpisorona ny ra, nararany teo ambonin’ny ôtely ny ra; novonoiny ny zanak’ondry dia nararany teo ambony ôtely ny ra.
23
Izay vao naroso eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan’izy rehetra tanana;
24
dia novonoin’ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin’ny ôtely ny rany, nanaovany fanonerana ho an’i Israely rehetra, fa ho an’i Israely rehetra no nampanaovin’ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota.
25
Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.
26
Dia nilahatra ny Levita nitondra ny zava-manenon’i Davida, mbamin’ny nitondra trômpetra koa.
27
Ary nasain’i Ekeziasa natolotra teo ambonin’ny ôtely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Iaveh, mbamin’ny feon-trômpetra, narahin’ny zava-manenon’i Davida mpanjakan’i Israely.
28
Niankohoka ny fiangonana rehetra, nohiraina ny hira, ary notsofina ny trômpetra, ary izany rehetra izany naharitra mandra-pahavitan’ny sorona dorana.
29
Nony vita ny sorona dorana dia nandohalika nitsaoka ny mpanjaka mbamin’izay rehetra teo aminy.
30
Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.
31
Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.
32
Koa ny isan’ny sorona dorana naterin’ny fiangonana dia omby 70, ondralahy 100, ary zanak’ondry 200, sorona dorana iray ihany ho an’i Iaveh avokoa ireo rehetra ireo.
33
Afa-tsy ireo, nisy omby 600, sy ondry 3.000 natokana koa.
34
Tsy nahendaka ny sorona dorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian’ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan’ny raharaha sy mandra-panamàsin’ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin’ny fanamasinana ny tenany.
35
Sady ny sorona dorana moa efa betsaka; ny saboran’ny sorom-pihavanana sy ny fanatitra araraka momba ny sorona dorana koa etsy an-daniny. Toy izany no nanaovana indray ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh.
36
Faly i Ezekiasa sy ny vahoaka tamin’izay namboarin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka; fa vita tampoka izany zavatra izany.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36