bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 31
2 Chronicles 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
1
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.
2
Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.
3
Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.
4
Ary nilaza tamin’ny mponina ao Jerosalema izy, handoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita, mba hiraiketany mafy amin’ny lalàn’i Iaveh.
5
Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.
6
Ny zanak’i Israely sy i Jodà, nonina teo amin’ny tanànan’i Jodà koa, dia nitondra ny fahafolon-karena tamin’ny omby aman’ondry, mbamin’ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra masina rehetra natokana ho an’i Iaveh Andriamaniny, ka natokotoko ho antontany maro.
7
Tamin’ny volana fahatelo no natomboka ny manao antontany ka tamin’ny volana fahafito vao vita.
8
Tonga i Ezekiasa sy ny lehibe ka nony nahita ireo antontany, dia nisaotra an’i Iaveh sy i Israely izy ireo.
9
Ary nanontanian’i Ezekiasa ny amin’ireo antontany ireo, ny mpisorona sy ny Levita.
10
Ka hoy i Azariasa mpisorona lehibe taranak’i Sadôka namaly azy: «Hatramin’ny niandohan’ny nanateran’ny olona ny fanomezana voaavaka ao an-tranon’i Iaveh, dia nihinana sy nanao voky ihany izahay, nefa mbola be koa ny tsy laninay, fa nambinin’i Iaveh ny vahoakany, ka he izato habetsahan’ny sisa tsy lany.»
11
Nasain’i Ezekiasa namboarana efitrano tao an-tranon’i Iaveh ka dia namboarina izany,
12
dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voaavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. I Kôneniasa Levita no tonian’ny fitandremana an’ireo; i Semeià rahalahiny no lefiny,
13
ary i Jahiela, i Azariasa, i Nahata, i Asaela, i Jerimota, i Jôzabada, i Eliala, i Jesmakiasa, i Mahata sy i Banaiasa no mpikarakara nofehezin’i Kôneiasa sy i Semeià rahalahiny, araka ny nandaharan’i Ezekiasa mpanjaka sy i Azariasa mpanapaka ao amin’ny tranon’Andriamanitra, an’izany.
14
I Kôre Levita mpiandry ny varavarana atsinanana no tonian’ny fanatitra an-tsitrapo naterin’ny olona ho an’i Iaveh, mba hizarazara izay voaavaka ho an’i Iaveh mbamin’ny zavatra masina indrindra.
15
Nisy fehiny niandry raharaha homeny azy ireo, tao amin’ny tanànan’ny mpisorona, dia i Edena, i Benjamina, i Jesoe, i Semeiàsa, i Amariasa, i Sekeniasa, izay niadidy ny fizaràna ho an’ny rahalahiny, araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely;
16
afa-tsy ny lehilahy voasoratra, hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra niditra tao an-tranon’i Iaveh, araka ny ilainy isan’andro mba hanao ny fanompoana, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy.
17
Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain’izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
18
Voasoratra tao anatin’ny boky ny zanany rehetra, ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny fiangonana rehetra, fa noho ny fahamarinany dia nikarakara tamim-pahamasinana ny fanatitra masina.
19
Ary ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nitoetra tany amin’ny faritry ny taniny, nanodidina ny tanànany, dia nisy lehilahy isan-tanàna, voatonona anarana, hanome ny anjaran’ny lehilahy amin’ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
20
Toy izany no nataon’i Ezekiasa, eran’i Jodà rehetra; nanao izay tsara sy mahitsy ary marina eo anatrehan’i Iaveh Andriamaniny izy.
21
Nataony tamin’ny fony tokoa ny raharaha rehetra nampanaoviny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, sy momba ny didy aman-dalàna nitadiavany an’Andriamaniny, ka nambinina izy.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36