bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 17
2 Chronicles 17
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
1
I Jôsafata zanak’i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin’i Israely,
2
nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.
3
Nomban’i Iaveh i Jôsafata fa nandeha tamin’ny lalana voalohany nalehan’i Davida rainy; tsy nikatsaka an’ireo Baala izy
4
fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.
5
Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.
6
Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.
7
Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, nirahiny hampianatra tany amin’ny tanànan’i Jodà, ireto lehibe ireto: i Bena-Haila, i Obdiasa, i Zakariasa, i Natanaely ary i Mikeasa,
8
sy ireto Levita ireto niaraka taminy: i Semesiasa, i Nataniasa, i Zabadiasa, i Asaela, i Semiramôta, i Jonatàna, i Adoniasa, i Tôbiasa, i Tôbadôniasa; ary niaraka tamin’ireo koa ireto mpisorona ireto; i Elisamà sy i Jôrama.
9
Nampianatra tao amin’i Jodà ireo, nitondra ny bokin’ny lalàn’i Iaveh; nitety ny tanànan’i Jodà rehetra, ary nampianatra teny amin’ny vahoaka.
10
Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Jodà, ka tsy niady tamin’i Jôsafata izy ireo.
11
Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.
12
Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.
13
Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin’ny tanànan’i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema.
14
Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin’i Jodà dia ireto no tomponarivo: i Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery 300.000, niaraka taminy;
15
teo anilany i Johanàna mpifehy ny lehilahy 280.000 niaraka taminy.
16
Ary teo anilany i Amasiasa zanak’i Zekri, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an’i Iaveh sy lehilahy mahery 200.000 niaraka taminy.
17
Ny tamin’i Benjamina dia i Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman’ampinga 200.000 niaraka taminy;
18
ny teo anilany dia i Jôzabada, sy lehilahy 180.000 samy hary fiadiana hiady niaraka taminy.
19
Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda, eran’i Jodà rehetra.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36