bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 21
2 Chronicles 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
1
Nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida, ary i Jôrama zanany no nanjaka nandimby azy.
2
Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.
3
Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin’ny tanàna mimanda amin’i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin’i Jôrama, fa izy no lahimatoa.
4
Nanao izay hahazoany an-tanana ny fanjakan-drainy i Jôrama, ary rehefa nihanahery izy, dia novonoiny tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra, mbamin’ny filohany sasany tamin’i Israely koa.
5
32 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
6
Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy, tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanak’i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh.
7
Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin’ny taranany mandrakariva.
8
Tamin’ny androny niodina tamin’ny fanapahan’i Jodà i Edôma, ka nanangana mpanjaka ho azy.
9
Dia niainga i Jôrama nomban’ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy, dia nandresy ny Edômita nanodidina azy mbamin’ny lehiben’ny kalesy.
10
Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
11
Nanao fitoerana avo tamin’ny tendrombohitr’i Jodà aza i Jôrama ary nitaona ny mponina tao Jerosalema hitolo-tena hanaraka andriamani-kafa ary nanambosy an’i Jodà.
12
Nisy taratasy avy any amin’i Elia mpaminany, tonga teo aminy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Noho ianao tsy nandeha tamin’ny lalan’i Jôsafata rainao, sy tamin’ny lalan’i Asà mpanjakan’i Jodà,
13
fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely nitarika an’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan’ny ankohonan’i Akaba an’i Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho ianao, dia ny tarana-drainao,
14
dia indro hokapohin’i Iaveh amin’ny aretina lehibe ny vahoakanao, ny zanakao, ny vadinao, mbamin’ny anananao rehetra;
15
ary ianao hotsindrian’aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin’ny aretina, mandritra ny andro maro.»
16
Ary nambosin’i Iaveh hamely an’i Jôrama ny sain’ny Filistinina mbamin’ny Arabo teo akaikin’ny Etiôpianina.
17
Ka niakatra tany Jodà ireo dia niely tany, namabo ny harena rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka, hatramin’ireo zanany, mbamin’ireo vadiny, hany ka tsy nisy tafajanona ho azy intsony ny zanany, afa-tsy i Jôakaza ilay zandriny indrindra tamin’ireo zanany.
18
Nanaraka izany rehetra izany indray, dia nasian’i Iaveh aretina tsy lai-panafody izy tamin’ny tsinainy.
19
Nifandimby ny andro ka tamin’ny faran’ny taona faharoa, nivoaka ny tsinain’i Jôrama noho ny hamafin’ny aretina, dia maty tamim-pangirifiriana mafy izy, ary tsy mba nandoroan’ny vahoaka zava-manitra ho fanajana azy, toy ny nandoroany an’izany ho an’ny razany.
20
Efa 32 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Lasa tsy nisy mpalahelo izy, ary nalevina tao an-tanànan’i Davida fa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36