bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 8
2 Chronicles 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
1
Nony afaka ny roapolo taona, ka efa vitan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh sy ny tranony,
2
dia naoriny indray ireo tanàna nomen’i Hirama azy, ka zanak’i Israely no namponeniny tao.
3
Notafihin’i Salômôna, i Emata-Sobà, ka azony.
4
Dia nanorina an’i Tadmora tany an’efitra izy, mbamin’ireo tanàna fitahirizana rehetra any amin’ny faritanin’i Etama.
5
Naoriny koa i Betôrôna ambony sy i Betôrôna ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady ary karetsaka hazo.
6
I Baalata mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Salômôna, ny tanàna rehetra ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.
7
Ny vahoaka rehetra sisa tavela, tamin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jebôseanina izay tsy isan’i Israely,
8
dia ny taranak’ireo, izay nandimby azy nipetraka tamin’ny tany, ka tsy naringan’ny zanak’i Israely, no nalain’i Salômôna ho mpanao fanompoana, mandrak’androany.
9
Fa tsy mba nisy nandevozin’i Salômôna nampanaovina ny raharahany ny zanak’i Israely, na dia iray aza; fa izy ireo kosa no miaramilany sy mpifehy ny manamboninahiny ary komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.
10
250 no lehiben’ny komadaoron’i Salômôna mpanjaka, niandraikitra ny fanapahana ny vahoaka.
11
Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida, ny zanaka vavin’i Faraôna, ho ao amin’ny trano nataony ho azy, fa hoy izy: «Tsy hitoetra ao an-tranon’i Davida mpanjakan’i Israely ny vadiko, satria masina izany fitoerana izany, izay efa nidiran’ny fiaran’Andriamanitra.»
12
Tamin’izany i Salômôna dia nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh izay naorina teo anoloan’ny fidirana.
13
Ka izay voadidin’ny lalàn’i Môizy dia nateriny isan’andro sy isan-tsabata; ary amin’ny voalohan’ny volana, sy amin’ny fety intelo isan-taona: dia ny fetin’ny azima, ny fetin’ny herinandro, ary ny fetin’ny tabernakla.
14
Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.
15
Tsy nihatahana ny didin’ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin’ny zavatra inona na amin’ny zavatra inona, indrindra fa ny amin’ny momba ny rakitra.
16
Toy izany no efa nahavoavoatra ny asa rehetra nataon’i Salômôna hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’i Iaveh ka hatramin’ny nahavitany. Dia vita ny tranon’i Iaveh.
17
Tamin’izay i Salômôna dia nankany Asiôngabera sy Ailata eo amoron’ny ranomasina, any amin’ny tanin’i Edôma.
18
Ary nampanaterin’i Hirama sambo sy mpanompo mahay ranomasina ho azy, ny mpanompony. Dia niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Salômôna ireo, ho any Ofira, dia naka talenta volamena 450 ireo, nentiny ho any amin’i Salômôna mpanjaka.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36