bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Chronicles 24
2 Chronicles 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
1
Efa fito taona i Jôasy fony vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià avy any Bersabea.
2
Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh i Jôasy tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà mpisorona.
3
Roa no vady nalain’i Jôiadà ho an’i Jôasy ary niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
4
Tatỳ aorian’izany, nanam-pahazotoana hamboatra ny tranon’i Iaveh i Jôasy.
5
Ka namory ny mpisorona sy ny Levita izy dia nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo any amin’ny tanànan’i Jodà, ka mamoria vola isan-taona amin’i Israely rehetra hamboarana ny tranon’Andriamanitrareo, ary ataovy faingana izany.» Nanao tsy rototra anefa ny Levita,
6
ka nantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorona lehibe, nilazany hoe: «Ahoana no tsy nikarakaranao izay hitondran’ny Levita avy amin’i Jodà sy i Jerosalema ny hetra nasain’i Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny fiangonana, haloan’i Israely ho an’ny trano lain’ny vavolombelona?
7
Fa efa nosimban’i Atalia mpankahala ny fivavahana mbamin’ireo zanany ny tranon’Andriamanitra, ary efa nentiny hatao amin’ireo Baala ny zavatra rehetra voatokana ho an’ny tranon’i Iaveh.»
8
Ny mpanjaka tamin’izay dia nandidy olona hanao vata ary nasainy napetraka teo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, eo ivelany izany.
9
Ary naely eran’i Jodà sy i Jerosalema fa isan’olona dia tsy maintsy mitondra ho an’i Iaveh ny hetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh haloan’i Israely, tany an’efitra.
10
Nahafaly ny lehibe rehetra sy ny vahoaka rehetra izany, ka samy nanatitra izay rehetra tsy maintsy aloany avy izy, sy nandatsaka izany tao amin’ilay vata.
11
Amin’ny fotoana hanolorana ny vata amin’ny mpikarakara ny mpanjaka amin’ny alalan’ny Levita, dia amin’izay ahitan’ny Levita fa efa be ny vola, dia tonga ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpanao raharahan’ny mpisorona lehibe manesotra izay rehetra ao anatin’ny vata; alainy ny vata dia averiny ao amin’ny fitoerany indray. Nanao toy izany mandrakariva izy, ka nahavory vola betsaka.
12
Dia nomen’ny mpanjaka sy i Jôiadà an’ireo mpampanao ny asa amin’ny tranon’i Iaveh ny vola, ary nanakaraman’izy ireo mpipai-bato ama-mpandrafitra hamboatra ny tranon’i Iaveh mbamin’ny mpanefy vy amam-barahina hanamafy ny tranon’i Iaveh.
13
Ka niasa ny mpiasa, ary tao an-tanany dia nandroso ny fanamboarana ny trano, ka tafaveriny amin’ny toetrany taloha ny tranon’Andriamanitra sy nohamafisiny.
14
Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’i Iaveh, dia fanaka hoenti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kôpy mbamin’ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon’i Iaveh tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà.
15
Tratra antitra sy voky andro i Jôiadà, ka dia maty; efa 130 taona izy vao maty.
16
Tao amin’ny mpanjaka, ao an-tanànan’i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin’i Israely sy ho an’Andriamanitra mbamin’ny tranony.
17
Nony maty i Jôiadà, tonga niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny lehibe tamin’i Jodà, ka nihaino azy ireo ny mpanjaka,
18
dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.
19
Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.
20
Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Jôiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan’ny vahoaka nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin’i Iaveh, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho ianareo nahafoy an’i Iaveh, dia mba hafoiny koa.»
21
Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, noho ny didin’ny mpanjaka.
22
Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
23
Nony niherina ny taona, niakatra hamely an’i Jôasy ny tafiky ny Sirianina ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin’ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin’ny mpanjakan’i Damasa.
24
Miaramila vitsy no teo amin’ny tafiky ny Sirianina, nefa miaramila maro be no natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany. Nanefa ny fitsarana namely an’i Jôasy ny Sirianina.
25
Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
26
Ireto no nanao teti-be hamely azy: i Zabada zanak’i Semaata vehivavy Amônita, sy i Jôzabada zanak’i Samarita vehivavy Moabita.
27
Ny amin’ny zanany, ny faminaniana maro namely azy, ny namboarany ny tranon’Andriamanitra, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Fitadiavana momba ny bokin’ny Mpanjaka. I Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36