bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 1
1 Samuel 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
1
Nisy lehilahy iray tany Ramataima-Zofima, any amin’ny tany be havoana any Efraima; Elkana no anarany, zanak’i Jerohama, zanak’i Eliho, zanak’i Toho, zanak’i Zofa efratita.
2
Nampirafy izy, Hana no anaran’ny vadiny iray, ary Penina kosa no anaran’ny iray. I Penina dia nanan-janaka, fa i Hana kosa dia tsy mba nanana.
3
Niakatra isan-taona niala tao amin’ny tanànany Ralehilahy mba hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa, mpisoron’NY TOMPO.
4
Tamin’ny andro namonoan’i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy i Penina vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy rehetra.
5
Nomeny anjaran-droa kosa i Hana satria izy no tiany na dia nataon’NY TOMPO momba aza.
6
Tsy nitsahatra nanorisory an’i Hana ny rafiny mba hampalahelo azy mafy, noho ny nanaovan’ny TOMPO azy momba.
7
Toy izany no fanaon’i Elkana isan-taona, rehefa niakatra ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Hana, ary toy izany koa no nanorisorenan’ny rafiny an’i Hana; koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
8
Fa hoy i Elkana vadiny taminy: Ry Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy mety mihinan-kanina? Ary nahoana ianao no malahelo fo? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9
Dia nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolanam-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO i Ely mpisorona.
10
Nalahelo mafy i Hana ka nivavaka tamin’NY TOMPO sady nitomany mafy.
11
Dia nivoady izy hoe: Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Raha mba hitsinjo ny fahorian’ny mpanompovavinao tokoa Ianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny mpanompovavinao fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’NY TOMPO kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12
Raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO izy dia nodinihin’i Ely ny vavany.
13
Koa satria niteny anakampo i Hana ka ny molony ihany no nihetsiketsika fa tsy re akory ny feony dia noheverin’i Ely fa mamo izy.
14
Ary hoy i Ely taminy: Mandra-pahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15
Dia namaly i Hana hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory; mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’NY TOMPO aho.
16
Aza mba heverina ho vehivavy tena ratsy fanahy ny mpanompovavinao; fa ny haben’ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17
Dia hoy i Ely: Mandehana amin’ny fiadanana; homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao Taminy.
18
Hoy Ravehivavy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny mpanompovavinao. Dia lasa nandeha izy ka nihinana ary tsy nalahelo tarehy intsony.
19
Ary nifoha vao maraina izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama. Ary nahalala an’i Hana vadiny i Elkana ary NY TOMPO nahatsiaro azy.
20
Dia nanana anaka i Hana tamin’ny faran’ny taona ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, satria hoy izy: Tamin’NY TOMPO no nangatahako azy.
21
Ary i Elkana vadiny sy ny ankohonany rehetra dia niakatra mba hamono zavatra hatolony ho fanatitra fanao isan-taona ho an’NY TOMPO sy ho fanefany ny voadiny.
22
Tsy mba niakatra kosa i Hana, satria hoy izy tamin’ny vadiny: Aoka aloha mandra-pampisara-nono ny zaza, fa amin’izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’NY TOMPO ka hitoetra ao mandrakizay izy.
23
Ary hoy i Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mijanòna ihany mandra-pampisarahanao nono azy; hotanterahin’NY TOMPO anie ny teniny. Dia nijanona Ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-pampisarany nono azy.
24
Nony efa nisara-nono ny zaza dia noentiny niakatra niaraka taminy ary nitondra vantotra ombilahy telo sy koba eran’ny efaha ary divay iray siny hoditra koa izy, koa noentiny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO tao Silo ireo; mbola kely ny zaza tamin’izay.
25
Dia novonoiny ny vantotra ombilahy iray ary noentiny ho ao amin’i Ely ny zaza.
26
Ary hoy i Hana: Tompoko ô! Raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’NY TOMPO.
27
Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’NY TOMPO ahy izay nangatahiko Taminy.
28
Izaho kosa dia manolotra azy ho an’NY TOMPO. Eny, amin’ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’NY TOMPO izy. Dia niankohoka nivavaka tamin’NY TOMPO izy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31