bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 30
1 Samuel 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
1
Nony tonga teo Ziklaga i Davida sy ny olony tamin’ny andro fahatelo dia indro, fa efa nanafika tany Negeva sy Ziklaga ny Amalekita ka namely an’i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ny afo.
2
Namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy ireo, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny ireo na dia iray aza fa noentiny rehefa nanohy ny diany izy.
3
Nony tonga tao amin’ny tanàna i Davida sy ny olony dia indro, efa levon’ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan-ko babo.
4
Dia nanandra-peo nitomany i Davida sy ny mpanaraka azy mandra-pahalany ritra ny ranomasony.
5
Voababo koa izy roa vavy vadin’i Davida, dia i Ahinoama jezirelita sy Abigaila, ilay novadin’i Nabala karmelita.
6
Dia ory indrindra i Davida, fa ny olona dia nifampitaona hitora-bato azy satria samy nalahelo ny zanany lahy sy ny zanany vavy ny olona rehetra; fa i Davida kosa dia nampahery ny tenany tamin’NY TOMPO Andriamaniny.
7
Ary hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona, zanak’i Ahimeleka: Miangavy anao aho, ento etỳ amiko ny efoda. Dia noentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efoda.
8
Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Davida hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratrako va izy? Dia namaly azy NY TOMPO hoe: Enjeho izy fa ho tratranao tokoa ary ho afakao tokoa ireo babo.
9
Dia lasa i Davida sy ny eninjato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin’ny lohasahan-driaka Besora ary teo no nijanonan’ny sasany.
10
I Davida sy ny efajato lahy no nanenjika; fa ny roanjato lahy kosa izay reraka ka tsy afaka nita ny lohasahan-driaka Besora dia nijanona tany aoriana.
11
Nahita lehilahy ejiptiana iray teny an-tsaha ny olona ka noentiny tany amin’i Davida. Dia nomeny hanina Ralehilahy ka nihinana sady nampisotroiny rano koa.
12
Nomeny mofo aviavy didiny iray sy mofo voaloboka maina koa izy; ary rehefa nihinana izy dia nody indray ny ainy, satria efa telo andro sy telo alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13
Ary hoy i Davida taminy: An’iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo ejiptiana, mpanompon’ny Amalekita iray, aho; ary narian’ny tompoko aho afaka omaly satria narary.
14
Izahay mantsy nanafika ny tany atsimo izay an’ny Keretita sy ny faritanin’ny Joda ary ny tany atsimo izay an’i Kaleba sady nandoro an’i Ziklaga tamin’ny afo.
15
Hoy i Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin’izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’Andriamanitra ianao fa tsy hamono ahy na hanolotra ahy ho eo an-tanan’ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin’izany jirika izany aho.
16
Nony noentiny nidina izy, indreo, miely manerana ny tany ny Amalekita ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ny babo rehetra izay azony tamin’ny tanin’ny Filistina sy ny tanin’ny Joda.
17
Ary namely azy tamin’iny takariva iny ka hatramin’ny ampitso hariva i Davida; tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingina rameva ka lasa nandositra.
18
Dia azon’i Davida izay rehetra efa nobaboin’ny Amalekita; azon’i Davida koa ny vadiny roa.
19
Tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na lehibe, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin’izay nobaboin’ireny; izany rehetra izany dia azon’i Davida avokoa.
20
Ary naka ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra i Davida. Ireo izay nandeha teo aloha dia nitarika ireo biby kosa dia niantsoantso hoe: Itony ny babon’i Davida!
21
Nony tonga teo amin’ny roanjato lahy izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy ary navela teo amin’ny lohasahan-driaka Besora i Davida dia nandeha nitsena an’i Davida sy ny olona nanaraka azy izy ireo. Rehefa tonga teo akaikin’ny olona i Davida dia nanontany azy ireo izay fahasalamany.
22
Dia niteny ireo olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra izay isan’ireo nanaraka an’i Davida hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany avy ihany; ireo no aoka hoentiny dia aoka handeha izy.
23
Fa hoy i Davida: Aza manao izany amin’izay nomen’NY TOMPO antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
24
Koa iza no hanaiky anareo amin’izany? Fa tahaka ny anjaran’izay nidina hiady ihany no ho anjaran’izay nitoetra tamin’ny entana: Hifampizara izany izy rehetra.
25
Dia izany no fanao hatramin’io andro io ka natao didy sy lalàna tamin’ny Israely ambaraka androany.
26
Nony tonga tao Ziklaga i Davida, dia mba nanaterany ho an’ireo loholon’ny Joda sakaizany koa ny babo sady hoy izy: Inty ny saotra ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’NY TOMPO.
27
Ho an’izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ny tany Negeva, ho an’izay ao Jatira
28
sy ho an’izay ao Aroera, ho an’izay ao Sifmota, ho an’izay ao Estemoa,
29
ho an’izay ao Rakala, ho an’izay any an-tanànan’ny Jeramelita, ho an’izay any an-tanànan’ny Kenita,
30
ho an’izay ao Horma, ho an’izay ao Borasana, ho an’izay ao Ataka,
31
ho an’izay ao Hebrona ary ho an’izay any amin’ny tany rehetra nandehandehanan’i Davida sy ny olony.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31