bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 21
1 Samuel 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
1
Dia niainga i Davida; fa i Jonatana kosa dia niverina tany an-tanàna.
2
Ary tonga tany Noba, tany amin’i Ahimeleka mpisorona i Davida; dia toran-kovitra i Ahimeleka rehefa nihaona tamin’i Davida ka niteny taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao fa tsy misy miaraka aminao?
3
Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka dia efa nanome raharaha ahy ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nampanaoviko anao, koa nasaiko nankarỳ ny zatovoko.
4
Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho vatsiko, na izay azonao atao.
5
Hoy ny mpisorona tamin’i Davida: Tsy misy mofo fihinana eto an-tanako fa mofo masina ihany no ato; raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo!
6
Ary hoy i Davida tamin’ny mpisorona: Eny, toy ny fanao rehefa hiady dia tsy niara-nitoetra tamim-behivavy izahay; ary tamin’izaho niainga dia masina ny fiadian’ny zatovo; ary na tsy masina aza ny anton-dianay dia hohamasinina izy anio noho ny fiadiana.
7
Dia nanome azy mofo masina ny mpisorona satria tsy nisy mofo teo afa-tsy ny mofo atao fanatitra izay nalainy teo anatrehan’NY TOMPO mba hosoloina mofo mafana amin’ny andro anesorana azy.
8
Nefa nisy iray tamin’ny mpanompon’i Saoly teo tamin’izany andro izany voahazona teo anatrehan’NY TOMPO; i Doega edomita no anarany; lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly izy io.
9
Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? Fa tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko aho satria nahamaika ny raharahan’ny mpanjaka.
10
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’i Goliata filistina, ilay novonoinao tao amin’ny lohasaha Elaha no indro, mifono akanjo ao ambadiky ny efoda ao; koa raha hoentinao dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Dia hoy i Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
11
Tamin’izany andro izany dia niainga i Davida ka nandositra mba tsy ho azon’i Saoly. Dia tonga tany amin’i Akisy, mpanjakan’i Gata izy.
12
Ary hoy ny mpanompon’i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy izy va no nandihizana sy nifampihirana hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo fa i Davida dia nahafaty alinalina?
13
Nalatsak’i Davida tao am-pony izany teny izany ka natahotra mafy an’i Akisy mpanjakan’i Gata izy.
14
Dia nody adala teo imasony izy ka nanao fihetsiky ny olona very saina, sady nanoratsoratra teo amin’ny lelam-bavahady izy no navelany hanorika tamin’ny somony ny iviny.
15
Dia hoy i Akisy tamin’ny mpanompony: Indro, hitanareo fa very saina io lehilahy io, koa nahoana no noentinareo tetỳ amiko?
16
Moa mitady olona very saina va aho no nitondranareo ity olona very saina ity hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va Ilehio?
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31