bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 9
1 Samuel 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
1
Nisy lehilahy avy amin’ny Benjamina, antsoina hoe Kisy, zanak’i Abiela, zanak’i Zerora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afia, benjaminita sady mpiady mahery fo.
2
Nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny Zanak’Israely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony noho miakatra ny halavany.
3
Very ny borikivavin’i Kisy, rain’i Saoly ka hoy i Kisy tamin’i Saoly zanany: Mitondrà zatovo iray hanaraka anao, dia miaingà ka mandehana hitady ny boriky.
4
Dia nandeha namakivaky ny tany be havoana any Efraima izy ka namakivaky ny tany Salisa, nefa tsy nahita; nandeha namakivaky ny tany Salima indray izy avy eo, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namakivaky ny tanin’ny Benjamina izy, nefa mbola tsy nahita ihany.
5
Nony tonga teo amin’ny tany Zofa izy ireo dia hoy i Saoly tamin’ny zatovony izay nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no hampanahy an’Ikaky fa tsy ny boriky intsony.
6
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin’Andriamanitra amin’iroa tanàna iroa; lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
7
Dia hoy i Saoly tamin’ny zatovony: Indro, raha mankany isika, inona moa no hoentintsika ho an-dRalehilahy? Efa lany ny mofo rehetra tao amin’ny kitapontsika ary tsy misy zavatra hoentintsika ho an’ny lehilahin’Andriamanitra; koa inona moa no misy atỳ amintsika?
8
Dia namaly an’i Saoly indray ilay zatovo hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekela; homeko ny lehilahin’Andriamanitra izany mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
9
Fahiny mantsy teo amin’ny Israely, rehefa nisy olona nandeha hanontany amin’Andriamanitra dia izao no fanaony: Andeha ho any amin’ny mpahita isika; izay atao hoe mpaminany ankehitriny no nantsoina hoe mpahita tany aloha.
10
Dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Tsara izany fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin’ny tanàna nitoeran’ilay lehilahin’Andriamanitra.
11
Raha mbola teo am-piakarana hiditra ao an-tanàna izy roa lahy dia nahita zazavavy nivoaka hantsaka ka hoy izy ireo taminy: Ao ihany va ny mpahita?
12
Dia namaly azy izy ireo hoe: Ao ihany izy; indro, ao alohanao ao izy; mandehana haingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izay, satria misy fanatitra hataon’ny vahoaka any amin’ny toerana fanaovana sorona anio;
13
koa raha vao miditra ao an-tanàna ianareo dia ho hitanareo izy raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ny toerana fanaovana sorona; fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, satria izy no manao fisaorana amin’ny fanatitra; koa rehefa afaka izany dia izay vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny fa amin’izao no hahitanareo azy.
14
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy, ary nony tonga tao izy ireo dia indro, nifanena taminy teo am-piakarana ho any amin’ny toerana fanaovana sorona i Samoela.
15
Ary NY TOMPO efa nanambara tamin’i Samoela ny omalin’ny andro nahatongavan’i Saoly hoe:
16
Rahampitso toy izao dia hirahiko ho atỳ aminao ny lehilahy iray avy amin’ny tanin’ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Israely oloko izy ka hamonjy azy amin’ny tanan’ny Filistina; fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa tonga atỳ amiko ny fitarainany.
17
Nony hitan’i Samoela i Saoly dia hoy NY TOMPO taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hitondra ny oloko.
18
Dia nanatona an’i Samoela tao anatin’ny vavahady i Saoly ka niteny hoe: Miangavy anao aho, atoroy ahy ny tranon’ny mpahita.
19
Ary namaly an’i Saoly i Samoela hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ny toerana fanaovana sorona; fa hiara-misakafo amiko ianareo anio, ary raha maraina dia havelako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra manahirana anao.
20
Aza malahelo ny amin’ny borikinao izay efa very hateloana fa efa hita ireny; ary ho an’iza ny zava-tsoa rehetra eo amin’ny Israely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
21
Dia namaly i Saoly hoe: Tsy benjaminita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny fokon’Israely? Ary tsy ny fianakaviako va no kely indrindra amin’ny fianakavian’ny fokon’i Benjamina rehetra? Koa nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
22
Ary nitondra an’i Saoly sy ny zatovony i Samoela ka nampiditra azy tao amin’ny efitrano iray sady nanome azy ireo ny toerana aloha teo amin’izay nasaina; olona telopolo eo ho eo izy ireo.
23
Hoy i Samoela tamin’ny mpahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe: Tehirizo ity.
24
Dia nalain’ny mpahandro ny feny sy izay eo amboniny ka napetrany teo anoloan’i Saoly, ary hoy i Samoela: Indro, izay efa natokana dia voaroso eto anoloanao ka hano; fa ho amin’izao fotoana izao no nitahirizana izany ho anao hatramin’izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Niara-nihinana tamin’i Samoela i Saoly tamin’io andro io.
25
Nony nidina avy tao amin’ny toerana fanaovana sorona hankany an-tanàna izy roa lahy dia niresaka tamin’i Saoly teo an- tampon-trano i Samoela.
26
Ary nifoha vao maraina izy ireo; koa nony nazava ratsy ny andro dia niantso an’i Saoly teo an- tampon-trano i Samoela sady niteny hoe: Mitsangàna fa hanatitra anao aho. Dia nitsangana i Saoly ka nivoaka ho any alatrano izy roa lahy, dia izy sy i Samoela.
27
Nony nidina teo amin’ny sisin’ny tanàna izy ireo dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo. Dia lasa nandeha izy. Fa mijanòna kely ianao mba hampihainoiko ny tenin’Andriamanitra.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31