bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 13
1 Samuel 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
1
Telopolo taona i Saoly raha nanomboka nanjaka; ary roa taona no nanjakany tamin’ny Israely.
2
Nifantina telo arivo lahy tamin’ny Israely i Saoly, koa ny roa arivo lahy dia niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela, ary ny arivo lahy niaraka tamin’i Jonatana tany Gibean’i Benjamina; ny olona sisa kosa samy nalefany hody any an-dainy avy.
3
Dia namely ny miaramilan’ny Filistina izay tany Geba i Jonatana ka ren’ny Filistina izany. Ary nampitsoka anjomara teny amin’ny tany rehetra i Saoly ka niteny hoe: Aoka handre ny Hebreo!
4
Dia ren’ny Israely rehetra fa namely ny miaramilan’ny Filistina i Saoly, hany ka halan’ny Filistina ny Israely. Dia nivory hanaraka an’i Saoly ho any Gilgala ny olona.
5
Filistina telo alina an-kalesy fitondra miady sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina no nivory hiady tamin’ny Israely; ary nandeha izy ireo ka nitoby tany Mikmasy, any atsinanan’i Bety-Avena.
6
Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely fa latsaka an-katerena izy, satria nijaly mafy ny olona, dia niery tany amin’ny zohy sy tany amin’ny kirihitrala, tany amin’ny harambato sy tany amin’ny fierena ary tany amin’ny lavaka famorian-drano izy ireo.
7
Ny Hebreo sasany kosa dia lasa nita an’i Jordana nankany amin’ny tanin’i Gada sy i Gileada. Fa mbola tany Gilgala ihany i Saoly ary ny vahoaka rehetra dia nanaraka azy sady toran-kovitra be ihany.
8
Dia niandry hafitoana izy araka ny fotoana nomen’i Samoela; nefa tsy mbola tonga tany Gilgala ihany i Samoela ka niely ny olona.
9
Ary hoy i Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana; dia nanolotra ny fanatitra dorana manontolo izy.
10
Rehefa vita ny fanolorany ny fanatitra dorana manontolo dia indro, tamy i Samoela, ary nivoaka hitsena azy i Saoly mba hiarahaba azy.
11
Dia hoy i Samoela: Inona no nataonao? Hoy i Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona sady tsy tonga tamin’ny fotoana ianao ary efa tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
12
dia hoy aho: Hidina amin’izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’NY TOMPO aho, dia nahatsiaro voatery nanolotra ny fanatitra dorana manontolo aho.
13
Hoy i Samoela tamin’i Saoly: Nanao hadalana ianao; tsy nitandrina ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy nanao izany ianao dia ho nampitoetra ny fanjakanao ho mandrakizay eo amin’ny Israely NY TOMPO.
14
Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; NY TOMPO efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izy no voatendrin’NY TOMPO ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’NY TOMPO anao ianao.
15
Dia nitsangana i Samoela ka niakatra avy tany Gilgala hankany Gibean’i Benjamina. Ary nandamina ny olona izay teo aminy i Saoly, tokony ho eninjato lahy izy ireo.
16
Raha mbola nitoetra tany Gibean’i Benjamina i Saoly sy i Jonatana zanany ary ny vahoaka teo amin’izy roa lahy dia nitoby tany Mikmasy kosa ny Filistina.
17
Dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistina ny mpandrava ka nizara ho antoko telo: Ny antoko iray dia nizotra tamin’ny lalana mankany Ofra ho any amin’ny tany Sohala;
18
ny iray dia nizotra ho any amin’ny lalana mankany Bety-Horona; ary ny iray kosa dia nizotra ho any amin’ny lalana mankany amin’ny sisintany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin’ny tany efitra.
19
Ary teny amin’ny tanin’ny Israely rehetra dia tsy nisy mpanefy; satria hoy ny Filistina: Mba tsy hanefy sabatra na lefona anie ny Hebreo!
20
Dia samy nidina ho any amin’ny Filistina ny Israely rehetra mba handranitra ny angadiny, ny fiasàny vy, ny famakiny ary ny lelan’angadinombiny.
21
Ny saran’ny fandranitany ny angady, ny fiasana vy, ny telorantsana, ny famaky ary ny fanitsiana ny fanindronan’omby dia roa ampahatelon’ny sekela.
22
Koa tamin’ny fotoana niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tanan’ny vahoaka rehetra izay niaraka tamin’i Saoly sy i Jonatana; fa i Saoly sy i Jonatana zanany ihany no nanana.
23
Ary nisy andia-miaramilan’ny Filistina nivoaka ho ao amin’ny hadilanana mankany Mikmasy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31